Nikatso tsy nahetsika tamin’ny tany ! Izay no nanjo ilay Airbus A340-300 «ELATRA» raha tokony hisidina ho any Marseille (Frantsa) halina.
“Fahasimban’ny “détecteur d’incendie” ao amin’ny “réacteur” voalohany an’ity fiaramanidina ity no fototry ny olana”, raha ny fanazavana teknika azo tamina mpiasan’ny Air Madagascar. Tsy misy eto Madagasikara anefa ilay piesy fa mbola andrasana avy any Frantsa. Ry zareo Frantsay ihany rahateo no afaka mikitikitika azy ity. Vokany, nikatso teo Ivato ilay fiaramanidina. Ny mpandeha an-jatony anefa efa vonona tao amin’ny efitra fiandrasana farany mialoha ny hidirana ny fiaramanidina.
Rehefa ela niandrasana teo, dia nilazana ireo mpandeha ireo fa dia foana tanteraka ilay sidina tokony ho natao hihazo an’i Marseille, omaly alina tamin’ny sivy ora, ary dia niangaviana izy ireo mba samy haka ny entany avy. Fahasorenana no hita soritra teny amin’ireo mpandeha vokatr’izany. Maro mantsy no diso programa vokatr’ity fanafoanana sidina ity. Sidina faharoa, miala avy eto Madagasikara, tokony ho nataon’ity Airbus A340-300 «ELATRA» ity, taorian’ny nandraisana azy tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 12 aprily 2012 teo, ka nitondrany ny lokon’ny kaompania nasionaly Air Madagascar, ity voatery nofoanana ity.
Fatiantoka
Ara-toekarena dia fatiantoka tsy roa aman-tany ho an’ny kaompania Air Madagascar ity fahavoazana ity. Eo aloha ny hofan’ny “parking” tsy maintsy haloa amin’ny ADEMA mandritra ny fotoana hijanonan’ilay fiaramanidina eo amin’ny seranana. Andraikitry ny Air Madagascar koa no tsy maintsy mitatitra ary mametraka ireo mpandeha tamin’ity zotra ity, any amin’ny hotely faran’izay raitra. Mandeha amin’ny ora ny asan’ireo mpanamory sy mpiasa ao anatin’ny fiaramanidina, tsy maintsy hojerena manokana koa ireo, ankoatra ny fahaverezam-potoana tsy amin’antony ho azy ireo. Fahavoazana iray lavaka ho an’ny ankamaroan’ny mpandeha koa ny fahadisoam-potoana sy fandaharam-potoana tokony hovonjena any ivelany any.
Nahamaika sy nahadodona ny mpitondra FAT ny fahazoana ity fiaramanidina Airbus A340-300 ity ary dia nireharehan’i Andry Rajoelina sy ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar fatratra. Nilaza ny ho afa-po tamin’ny sidina voalohany natao taminy mihitsy i Andry Nirina Rajoelina rehefa nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny marainan’ny alakamisy 12 aprily, nefa izao sahady no nanjo azy. Vao sidina in-dray mandeha dia tapak’elatra, manoatra noho ny voan’ny NOTAM, nefa hofaina mandritra ny enin-taona. Koa raha izao no hitohy, na ho 12 taona aza tsy ho efa ny vidiny. Ilay fiaramanidina rahateo efa ela niasana. Mbola hisy fanindroany ho avy anefa amin’ny volana jona izao.
Tsy mety vita moa ny resabe sy ny adihevitra manodidina azy ity, satria maro no tsy resy lahatra ny amin’ny hoe fitondrana tetezamita no manapa-kevitra fa hanofa fiaramanidina Airbus efa ela niasana anankiroa mandritra ny enin-taona ny fanjakana Malagasy. M
azava fa dia variana amin’ny seho ivelany sy ny haitraitra ny FAT tarihan’i Andry Rajoelina. Afaka miteny izay teneniny ity farany mba hanamarinany io safidy io, saingy tsy haharesy lahatra na oviana na oviana ny Vahoaka izany. Hatreo am-boalohany rahateo no efa tsy mangarahara ny nahazoana ireto fiaramanidina ireto, ka vao mainka mampitombo ny ahiahin’ny Gasy. Fitondrana nijoro ara-dalàna notarihana filoha voafidy tamin’ny fomba demokratika, nahazo famatsiam-bola aman-jatony tapitrisa euros isan-taona aza, nokianina raha nividy fiaramanidina iray, ka ahoana moa no hanomezana rariny izao fihetsik’i Andry Rajoelina izao ?
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.