Actualités

Air Madagasikara Hampiasaina mankany Azia ilay Airbus A340 faharoa


  • Alarobia 13 Jona 2012

Hasolo ilay Boeing 767 mpankany Azia teo aloha ilay Airbus A340 faharoa izay ho tonga ny 29 jona izao, araka ny fanamarihan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny Air Madagasikara, Rambeloson Hery

 Hampitohy an’i Bangkok sy Chine in-telo isan-kerinandro izy io isaky ny alatsinainy sy alarobia ary ny zoma. Ny 6 aogositra no hanaovany ny sidina voalohany. Nampitomboina iray izany ny sidina mankany Azia izay ny alatsinainy sy zoma ihany teo aloha. Tao anatin’ny telo taona nifantohan’ny Air Madagasikara tamin’ny zotra mankany Azia dia mahatratra 200 eo hatrany ireo mpandeha isaky ny sidina ka tanjon’ny Air Madagasikara ny hampitomboana izany. Marihina fa mpandraharaha ny 80%-n’ireo mpampiasa io zotra mankany Azia io. Mikasika ilay Boeing 667 izay mbola miandry ny fanamboarana fampanarahan-dalàna azy taorian’ny tsy fahafahany misidina ny habakabaka eoropeanina dia hiankina amin’ny tolotra sy tinady aty amin’ny faritra manodidina indray no hampiasana azy toy ny mankany Afrika atsimo sy Nosy be. Mbola mila fanalehibiazana anefa vao tena afaka handray io fiaramanidina io ny “piste” any Nosy Be. Mbola amin’ny volana novambra moa vao hanapaka ny mikasika ny fanomezana-dalana io Boeing 667 io ny kaomisiaona eoropeanina misahana izany.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT