Actualités

Air Madagascar Tsy manana sidina mankany Eorôpa intsony


  • Alarobia 17 Aogositra 2011

Nohon’ny tsy fahafenoan’ny fiaramanidina Boeing 767 miisa roa an’ny Air Madagascar ireo fepetra takian’ny vaomiera eorôpena dia tsy nahazo alalana hisidina ny faritra Eorôpa intsony ireo fiaramanidina ireo nanomboka ny faramparan’ny volana aprily 2011.

 Voatery nanofa Boeing B767-300ER tamin’ny Air Italia izany ny kaompaniam-pitaterana nasionaly nanomboka teo. Io fiaramanidina vahiny io no nitatitra ny mpandehan’ny Air Madagascar  miainga ao Milan, Parisy, Marseille mankaty Antananarivo sy Nosy Be ary ny sidina mifanohitra amin’izay. Ny faran’ny volana jolay no tapitra io fifanarahana io saingy nohalavaina hatramin’ny 14 aogositra, izany hoe ny alahady teo. Tsy mbola misy ny fanazavana avy amin’ny tomponandraikitry ny kaompaniam-pitaterana nasionaly hatreto momba ny fitohizana indray na tsia ilay fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny Air Italia na koa vahaolana hafa.

Araka izany dia tsy manana sidina mihazo ireo firenena eorôpeana ireo intsony ny Air Madagascar. Ny fampanantenan’ny filohan’ny FAT hanome fiaramanidina iray vaovao azy amin’ity volana aogositra ity rahateo mbola tsy misy tokontaniny hatreto. Miharendrika hatrany araka izany ity orinasam-panjakana tantanan’ny tsy miankina ity noho izy tsy mahazo tombony amin’ny fahabetsahan’ny mpandeha amin’izao fotoana izao. Ny fifaninanana anefa mihahenjana hatrany satria ankoatra ny zotra Air France sy Air Austral ary ny Air Maritius dia hanitatra ny lalany aty Madagasikara koa ny kaompaniam-pirenena afrikana tatsimo South Africa Airways.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT