Actualités

Air Madagascar Tsy mahazo misidina an’i Eorôpa


  • Alarobia 20 Aprily 2011

Nandeha eran’ny tambajotra Internet omaly ny vaovao fa nampidirin’ny fiombonambe eoropeanina ao anatin’ny lisitra mainty ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka malagasy Air Madagascar.

Nanomboka omaly talata io fanapahan-kevitra io no noraisin’ny fikambanambe tamin’ny alalan’ny Safety Assessment of Foreing Aircarft (SAFA) io. Voa toa antsika koa ny Mozambikanina. Ny tena loza amin’izy ity, raha ho izay tokoa, dia ny tsy fahazoan’io kaompania io intsony mivezivezy amin’ny habakabak’i Eoropa. Fivezivezena in-droa isan-kerinandro no ataon’ny Air Madagascar amin’ny alalan’ny Boeing 767-300 roa izay eo am-pelatanany. Tsy ny fahanteran’ny fiaramanidina akory no anton’ny fanapahan-kevitra fa noho ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo fiaramanidina izay efa niasa hatramin’ny taona 90 ka mety hampidi-doza. Raha nanontaniana momba ity fanapahan-kevitra ity ny Air Madagascar omaly dia nilaza fa tsy mbola ofisialy aloha izany ka tsy misy tokony hahataitra loatra. Ara-politika dia mazava izao fa tsy nahomby indray ny fandresen-dahatry ny FAT izay efa nandefa misionera maromaro tany ivelany mba hiady ho an’ny Air Madagascar.

Ara-tsosialy sy ara-toekarena dia fatiantoka no haterany. Marina fa mbola afaka hisidina ny habakabak’i Afrika sy Azia ary amin’ireo nosy manodidina isika, fa mandra-pahoviana izany ? Raha zavatra tsy azo antoka ka ahiana hampidi-doza mantsy dia mety handraisan’ireo firenena hafa fepetra koa tsy hisidina any aminy. Dia hatao aiza ireto mpanamory sy ny mpiasa maroben’ny Air Madagascar, mandra-pahita vahaolana maharitra ? Roa taona teo amin’ny fitondrana ny FAT, tsy ho izy ireo mihitsy no handeha hilaza fa vokatry ny nataon’ny teo aloha no nahatonga izao.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT