Hanao hetsika goavana, hijoro hiaro ny tetiky ny sasany hamotika ny orinasa ny mpiasan’ny Air Madagascar.
Nisafidy ny andro rahampitso alarobia izy ireo hanaovana ny hetsika. Alarobia tsy miverina ? Tsy mbola nampahafantarina ny mpanao gazety ny tena zavatra hiseho, saingy raha ny siosion-dresaka dia fitokonana hanehoan’ny mpiasa fa ampy izay ny famotehana ity orinasam-bahoaka ity no hiseho ao. Hanatevina ny hetsika ataon’izy efa-dahy mpitarika sendika, mitaky ny fampiharana ny didim-pitsarana mamerina azy ireo amin’ny asany eo anivon’ny Air Madagascar, ity hetsiky ny mpiasa ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.