Actualités

Air Madagascar Nampihena 20% ny saran-dalany mankany ivelany


  • Alatsinainy 20 Mey 2013

Vanim-potoana fanaovana fihenambidy amin’ny vidina tapakila ny volana mey ho an’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka satria vitsy ny mpandeha makaty Madagasikara.

 Manomboka misokatra tsikelikely kosa anefa ny fahatongavan’ny vahiny amin’ny faramparan’ny volana jona raha ny aogositra no tena betsaka ny mpitsidika. Tetika fanintonana ny olona handray fiaramanidina ny fanomezana fihenambidy ka mahatratra 20% ho an’ny Air Madagascar. Mbola mahazo «Tablette PC» na «photo imprimante» amboniny ny mpandeha manao famandrihana dia mankany Marseille, Parisy, Bangkok ary Guanzou ao amin’ny JK Expo misokatra amin’ny herinandro ambony etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, hoy Rambeloson Hery, Tale ara-barotra ao amin’ny Air Madagascar.

Fiaraha-miasa amin’ny JK Group izy io ka amin’ny volana jona no handraisana ireo fitaovana ireo eny amin’ny masoivohon’ny Air Madagascar Alarobia. Nambaran-dRambeloson Hery fa mahafa-po ny taham-pahafenoan’ny fiaramanidina mankany Eoropa na dia mandalo krizy aza ry zareo any. Saika mpiantsena na mpanao “business” kosa no 90%-n’ny mpandeha any Azia ka marindrano amin’ny ankapobeny ny fahafenoana. Nanova politikam-pitantanana moa ity kaompania nasionaly ity izay nampiato aloha ny zotra-paritra mankany Nairobi nanomboka tamin’ny faran’ny septambra 2012 na dia be mpandeha aza fa aleony mifantoka amin’ny zotra anatiny izay ambony rahateo koa ny tinady. Mahatratra 30 isan’andro ny sidina mifamezivezy amin’ireo tanàna eto Madagasikara amin’izao raha 12 kosa ny seranana.

Pati sy Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT