Actualités

Air Madagascar Najabaky ny Air France


  • Alarobia 25 Aprily 2012

Tsy dia mbola hita firy aloha hatreto ny mampitombina ny safidin’ny filohan’ny tetezamita mba hividianana ireo fiaramanidina Airbus A340-300 roa, raha toa ka ao anatin’ny herinandro dia olana teknika roa sahady no nitranga tamin’ilay fiaramanidina azo voalohany.

 Maro no manomboka mieritreritra ankehitriny, fa sao lahy ka voafitaka sy nampijabahan’ny Air France isika tamin’ny fividianana ireo fiaramanidina ireo. Ny zava-misy mantsy izao dia mitombo ny vola aloan’ny Air Madagascar amin’ny Air France, izay mikarakara ny fanamboarana izay simba amin’ilay A340-300. Mbola vola hafa ihany koa ny saran’ny fiantsonana, satria ny alahady teo dia nihemotra ora 5 be izao ny fiaingana, noho ny olana teknika tao amin’ny seranam-piaramanidina Roissy Charles De Gaulle – Paris. Midika ihany koa izany fa tsy maintsy misy ny fikarakarana sy fandraisana an-tanana ireo mpandeha, izay tsy maintsy omena sakafo mandra-piandry izay fiaingana.

Vola mivoaka avokoa izany rehetra izany. Ny mampanahy, raha mateti-pitranga ny tahaka izao dia tsy maintsy ho sahirana ara-bola ny Air Madagascar. Ny zavatra iray manomboka mampiahiahy ny mpanara-baovao ihany koa dia ny hoe sao lahy, mba fanipazana hoditr’akondro nataon’ny Frantsay ho antsika ihany ity resaka Airbus ity, satria kaompania mifanandrina amin’ny Air Madagascar ny Air France amin’ny zotra Antananarivo – Paris, ka rehefa hitrangana olana ara-teknika lava ny fiaramanidina ampiasain’ny Air Madagascar, dia tsy matoky azy intsony ny mpandeha, dia misafidy ho azy ny Air France. Tsy voatery hoe marina tanteraka io tombantombana tsotsotra io, saingy resa-barotra moa izy ity ka mety hitranga avokoa ny paikady rehetra hanilihana ny mpifaninana amin’ny tena sy handrombahana ny ampahan-tsena be indrindra mba hampatevina hatrany ny tombombarotra. Natanjaka ny serasera teo anivon’ny fitondrana tetezamita mba nandresen-dahatra ny olona fa mety kokoa amintsika ny mampiasa ilay Airbus A340-300 noho ny mampiasa Boeing 777, ohatra izay mitovitovy lenta aminy. Nambara ihany koa fa mahafeno ny fepetra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka afaka misidina any Eoropa io Airbus io.

Mitranga anefa izao ny olana teknika mifanesisesy ary na ny mpiasa ao amin’ny Air Madagascar aza dia tsy resy lahatra amin’ny fampiasana ity Airbus ity. Tsara homarihana ihany koa fa tsy hoe Airbus fotsiny no ampiasain’ny Air France fa dia mampiasa Boeing koa ity kaompania ity. Manana ny lisitrany ireo fiaramanidin’ny Air France misahana ny sidina lavitr’ezaka na «vol long courrier» dia ny Airbus A330 miisa 15, Airbus A340 miisa 14, Airbus A380 miisa 6, Boeing 747 miisa 8 ary Boeing 777 miisa 61. Miteny ny tarehimarika eto. Boeing 69 isa be izao no ampiasain’ny Air France amin’ny sidina lavitr’ezaka raha tsy misy afa-tsy 35 ny Airbus. Any amin’ireo sidina rezionaly sy tsy dia lavitra no mampiasa Airbus maro izy ary ireo aza dia tsy A340 fa A318 sy A319 ary A320-200. Eo amin’ny fitaterana entana ihany koa dia niantefa tany amin’ny Boeing ny safidin’ny Air France Boeing 747-428ERF Cargo telo sy Boeing 777-F28 Cargo roa no ampiasainy. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe mba nahalala ireo tarehimarika ireo ve ny filohan’ny tetezamita, sa jamban’ny endrika ivelan’ny A340-300 fotsiny dia tonga dia resy lahatra fa tsy mba nanadihady tsara aloha ? Raha sanatria tsia ny valiny dia zava-doza, satria filoham-panjakana no manapa-kevitra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT