Actualités

Air Madagascar Mitaintaina ireo tsy mpiasa raikitra


  • Alatsinainy 04 Jolay 2011

Mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ankehitriny ny Air Madagascar raha araka ny filazan’ny mpiasa.

 Na dia efa nilaza aza ny mpitantana sy ny fanjakana tamin’ny alalan’ny ministeran’ny fitaterana fa tsy maintsy karohana ny fomba rehetra hanampiana sy hanarenana ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka tokana eto amintsika ity dia tsy mbola nisy ny vokatra mivaingana. Ny fantatra hatreto dia efa manomboka mamerina any amin’ny tompony, ireo Boeing roa voasazy tsy afaka misidina any Eoropa ny kaompania. Efa lasa tamin’ny herinandro ny iray, 767-300 5RM-FG. Mbola itazonana ny zotra mankany Azia kosa aloha hatreto ny faharoa 767-300 5RM-Fox Juliet. Sahirana andro aman’alina ny Air Madagascar ary tsy hita soritra mazava izay politikam-panarenana tian’ny FAT atao aminy, fa ny asesy dia tsy nety avokoa ny nataon’ny teo aloha.

Roa taona anefa izay no lasa tsy hita ihany izay tena marina. Ilay hoe hivarotana ny “Air Force One II” moa dia toa nangina sy tsy hita tabilao intsony. Tsy mety mahita paik’ady matotra hanampiana ity kaompania ity ny FAT koa dia mandany andro manilika ny rihatra amin’ny mpitondra teo aloha. Tsy maintsy ho hita faran’izay haingana ny vahaolana, hoy ny minisitry ny fitaterana satria efa nisy ny taratasy fanazavana sy fangataham-panazavana nalefa any amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena manasazy ny Air Madagascar, efa ho telo volana anefa izay no lasa. Mitaintaina, araka izany, ny mpiasa, indrindra ireo tsy mpiasa raikitra. Mandeha any an-dalantsara any rahateo ny feo fa mety hisy fanenana isan’ny mpiasa vokatr’ity fahasahiranana diavin’ny orinasa ity.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT