Tsy mahagaga sady efa nampoizina ny sazy milatsaka amin’ireo Boeing lehibe roa ampiasain’ny Air Madagascar izay tsy mahazo alalana hisidina ny faritra Eoropa iray manontolo raha ny nambaran’ny mpandraharaha ara-pizahantany iray tsy nitonona anarana.
Ekena, hoy izy, fa mahavita ireo fanaraha-maso ara-teknika takian’ny fifamoivoizana ana habakabaka iraisam-pirenena ireo fiaramanidina ireo saingy misy mihitsy ny fanahy iniana ataon’ny mpitantana sasany ao anatin’ity orinasa ity miaraka amin’ny mpitondra ambony mba handetehana azy noho ny tombontsoa manokana. “Raha tena vonona handray andraikitra ny mpitondra dia misy ny fepetra azo noraisina hisorohana izao”, hoy izy. Manaratsy endrika ity kaompaniam-pitaterana ity tokoa mantsy ny fahatarana lava amin’ny zotra lavitra. Ireto fiaramanidina voasazy ireto izay manao ny zotra mankany Azia mihazo an’i Bangkok sy Guanzou ihany no mitondra ireo mpandehan’ny Air Madagascar any Eoropa. Miteraka fahatarana ora maro amin’ny sidina Air Madagascar anefa izany. Raha ny fahitan’ity mpandraharaha ity azy dia misy ambadika avokoa izany mba hanomezana ny tsena ho an’ny mpitatitra hafa. Misy rahateo ny fifanarahana amin’ny kaompania Air France efa roa taona izao izay mamaritra fa ireo fiaramanidin’ity orinasa frantsay ity no mitondra ireo mpandehan’ny Air Madagascar, izany hoe zaraina ny toerana. Vao nohamafisina nandritra ny fandalovan’ny tale jeneralin’ny Air france teto io fifanaraham-piaraha-miasa io, iray volana lasa izay. Manahy ity mpandraharaha ity noho izany fa misy mitady hanjakazaka ny sehatry ny fifamoivoizana ana habakabaka eto.
Tsy mionona amin’ny resaka sidina fotsiny izany fa tonga hatramin’ny fanomezana laka karazana fiaramanidina mihitsy. Efa nanambara ny fahavononany hiara-kiasa amin’ny FAT rahateo ny orinasa Airbus tamin’ny alalan’ny tale jeneraly lefiny. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny “airbus” no fiaramanidina ampiasain’ny Air france sy ny firenena Eoropeanina amin’ny ankapobeny raha ny “Boeing” kosa ny an’ny Amerikanina.
Raha nanontaniana momba ny vokatra ateraky ny fiatoan’ny fampiasana ireo Boeing 667 ireo amin’ny zotra mankany Eoropa ny mpandraharaha dia nilaza ny ankamaroany fa tsy misy aloha hatreto ny fanafoanana na fanemorana dia avy amin’ireo orinasa mpandefa mpizahatany any ivelany. Misy koa ny milaza fa ireo mpizahatany avy any Frantsa no tena voakasik’io noho izy ireo mandeha sidina mivantana. Saika mandalo ao Kenya na Afrika Atsimo avokoa indray anefa ny fiaramanidina mpitondra teratany Alemana sy Japoney vao mankaty amintsika. Tsy mbola naharenesana filazana amin’ny fomba ofisialy momba ny fanapahan-kevitra horaisiny amin’ity raharaha ity ny Air Madagascar hatreto saingy na izany aza dia hita ho mikorontana ny fandaminana ny sidina. Teratany malagasy iray manao fitsidihana any La Réunion izay tokony hitodi-doha an-tanindrazana amin’ny alahady izao no nampilazaina fa mila mandroso ny fodiany amin’ity anio ity izy na manemotra izany amin’ny alarobia heriny. Ho an’ny ONTM dia mila mitady vahaolana haingana tsy mihoatra ny faran’ny herinandro izao ny Air Madagascar sy ny fanjakana satria hisy fiantraikany goavana amin’ny fampirisihana ny vahiny hitsidika an’i Madagasikara ity olana ity raha mitarazoka, araka ny nambaran’ny tale, Andriamandranto Joel.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.