Anio alarobia 15 jona, araka ny resa-be nahoraka efa ho herinandro izao no mety hivoaka ao anatin’ny lisitra « Annexe B » nisy azy hatramin’ny 2011 ny Air Madagascar.
Midika izany fa afaka hisidina ny habakabak’i eoropa amin’izay ny fiaramanidina rehetra ao amin’ity kaompania ity. Tsy hanova na inona na inona na hitondra fahagagana ny fialana ao amin’io Annexe B io, araka ny filazan’ireo mpiasan’ny Air Mad. Efa tena potika tanteraka mantsy ity orinasa ity ary tsy afaka hiatrika fifaninanana intsony. Mahatratra 76 tapitrisa dolara ny fatiantoky ny Air Madagascar tamin’ny fiandohan’ny taona 2016. Mety ho nofinofy ny hamenoana io kitapom-bolam-panjakana banga io. Manampy trotraka ny nampidirina eto Madagasikara ireo kaompania vahiny avy any Torkia, Afrika Atsimo, nosy Maorisy, Frantsa … Azo antoka fa hamono miandalana ny tsenan’ny Air Madagascar izany. Matanjaka ara-bola sy ara-paikady mantsy ireo kaompania vahiny ireo koa raha amin’izao aretina mahazo azy izao dia harapak’izy ireo mora foana tahaka ny efa nitranga tatsy Afrika ny Air Mad.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.