Actualités

Air Madagascar Efa hatramin’ny 2009 ny famotehana azy


  • Alakamisy 05 Mey 2011

Vao nivoaka an’i Madagasikara i Andry Rajoelina taorian’ny nandrombahany fahefana teny an-dalambe tamin’ny 2009 dia efa nanomboka ny famotehana ny kaompaniam-pitaterana nasionaly Air Madagascar.

Nanaovana vavabe ny «Air Force One II», ilay fiaramanidina fampiasan’ny filoham-pirenena amin’ny dia izay ataony na ato anatiny na mankany ivelany. I Andry Rajoelina anefa tsy maintsy ho any Dakar renivohitr’i Sénégal, hihaona amin’i Adboulaye Wade ny 28 mey 2009, dia ny Boeing 767 an’ny Air Madagascar tokony hihazo an’i Marseille sy Parisy no nitondra faisana. Io no niondranany ary tsy maintsy nanatitra azy tany Dakar. Tsy nisy nahalala ary tsy nampahafantarina an’io fiovana lalana io ny mpandeha iray fiaramanidina tamin’io. Fitaintainana tsy nisy toy izany ny an’ireo havan’ny mpandeha, nitsena tany Marseille sy Parisy satria tsy tonga ara-potoana ilay fiaramanidina, fa nisy fahatarana ora maro.

Niteraka fimenomenomana izay tsy izy, teo amin’ny mpandeha, ny fianakavian’izy ireo avy, ireo “Agences de voyage” nikarakara ny dian’ireo mpandeha iny toe-javatra iny. Fatiantoka ara-bola goavana ihany koa no naterany tamin’ny kaompania, satria mitombo ny fandaniana tamin’ny solika, ny haba tsy maintsy aloa ho saram-piantsonana tao Dakar … Fanodinkodinana fiaramanidina no nandikan’ny maro io fisehoan-javatra io. Tranga iray amin’ny maro nitranga tato anatin’ny roa taona iny, saingy azo antoka fa tsy maintsy nisy fiantraikany tamin’ny kitapom-bolan’ny Air Madagascar. Tsy atao mahagaga raha tonga amin’izao toerana misy azy izao ity kaompania nasionaly ity.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT