Actualités

AINASOA, te hiasa amin’ny tafika anabakabaka Nasaina teny amin’ny tobin’ny angidimby Ivato


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Zazavavy kely iray vao 11 taona monja i Ainasoa. Tao anatin’ny tambajotran-tserasera izy no naneho ny nofinofiny fa te ho lasa miaramila eo anivon’ny tafika anabakabaka.

Nahita izany ireo manamboninahitra vehivavy vitsivitsy eo anivon’ny tafika ka nanasa azy omaly. Nasaina teny amin’ny Tobin’ny angidimby (Escadron d’hélicoptère) Ivato ny tovovavy kely omaly folakandro. Ankoatra izay dia nihaona sy nitafa tamin’ireo manamboninahitra vehivavy vitsivitsy ao amin’ny tafika ihany koa izy ka anisan’ireny ny Kapiteny Barnia Rakotonirina sy ny Lietna Malalatiana Hubert avy ao amin’ny Tafika anabakabaka ary ny Lietna Felaniaina Adora avy ao amin’ny tafika an-tanety. Izany no natao moa dia entina hampahafantarana an’i Ainasoa ny lalàna sy fianarana tokony hataony mba hanatrarany izany tanjony goavana izany. Nofaranana tamin'ny sidina teny amin'ny habakabak’Antananarivo sy ny manodidina moa ny fihaonana ka ny fiaramanidin’ny tafika anabakabaka CESSNA 206, no nentina tamin’izany izay nanatanteraka fanazaran-tena ihany koa. Mahafinaritra ny ankizy manana tanjona goavana tahaka izany koa irariany ny hisian’ireo ankizy mitovy taona aminy hanonofy tsara tahaka azy toy izany.
Nangonin’i Pati
Legende : I Ainasoa kely tao anatin’ilay fiaramanidina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT