Actualités

Aina mpitsabo etsy Itaosy Norobain-dry be basy


  • Alatsinainy 14 Mey 2012

Nahoraka an-gazety sy tamin’ny fampitam-baovao samihafa ny faran’ny herinandro teo fa dia voasambotra ilay mpanapoaka baomba teo amin’ilay tranombarotra karana ao Tsaralalana ny alakamisy 3 mey teo.

 I Aina, ilay tanora mpitsabo amin’ny fomba nentim-paharazana, eny Itaosy ity nosamborina ity. Teny Itaosy no nisamborana azy ary natao toy ny fisamborana jiolahy raindahiny. Nandefasana mpitandro filaminana mirongo basy tamina kamio telo sy fiara tsy mataho-dalana telo hafa. Nanapoahana basy mba tsy hampihetsika ny iray trano fa hoe misy miaramila koa miaraka aminy. Mbola tavela tao rahateo ny taim-bala. Nasaina nandady am-polony metatra maro rehefa tratra, nosavaina ary nakorontana ambony ambany ny tranony hatrany amin’ny garazy ary nambara fa nahitana ody gasy maro. Tamin’ny fandalovan’ny mpanao gazety teny an-toerana ny sabotsy 12 mey no nanamafisan’ny zazalalahy taiza ao an-trano fa “zoma tamin’ny 5ora sy sasany hariva no tonga ireo miaramila marobe nandaka ny vavahady nihidy ary nihanika tamboho nanao amboletra niditra ny tanàna. Nisy nitifitra ny varavarana tao amin’ny birao fiasan’i M’sé Aina nanaovany zavatra tamin’io andro io ka ny sasany nisavasava sy nanakorontana toy ny fanaony, ny sasany nanao hoe : ambany ialahy, nidaroka sy nanompa ary  nampandohalika an’i M’sé Aina nasainy nivoaka ny vavahady”.  Rehefa nozohina sy nohadihadiana lalina àry ny raharaha dia fantatra fa niantehitra tamin’ny tondromolotra fotsiny ihany ireo mpamita iraka fa tsy nanao fitsongoan-dia toy ny mahazatra azy ireo, mialoha ny tena “action”. Nisy mantsy fampitam-baovao voarain’ny mpitandro ny filaminana fa i Aina ilay hita sary nametraka ilay fonosana nisy baomba izay nipoaka teo amin’ny «Naza Electronic» Tsaralalana. Nampanantena tambiny mitentina iray tapitrisa Ariary ho an’ireo afaka manome vaovao ny mpitandro ny filaminana moa ny tompon’andraikitra ahafahana misambotra ireo tompon’antoka tamin’io fipoahana baomba io, ka faingana ny mpanome vaovao. Rehefa nandeha anefa ny fampitahana dia tsy misy volombava ilay tao amin’ny sary, nefa ity nosamborina lava somotra. Notsatohana indray sao olona mpiserasera aminy ilay nametraka baomba kanefa dia nilaza mazava i Aina fa vao miposaka ny masoandro dia efa mandray olona izy ary tsy miato izany mandrapahariva ny andro, ary alahady tolakandro vao mitsahatra.

Tsy hipetra-potsiny

Navotsotry ny polisy miady amin’ny heloka bevava Anosy omaly alahady atoandro i Aina mpitsabo rehefa vita ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Omaly tolakandro ihany izy sy Ramanamahefa Jean mpisolovavany dia nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy Ampasika, nanao fanamarihana fa tsy mendrika ny atao hoe : tena mpitandro ny filaminana velively ny fomba nisamborana azy. Tsy nohajaina ny zony teo amin’ny fisavana trano, izay tokony nifanatrehana ary nanaovana fitanana an-tsoratra mazava. Ny tena nampivarahontsana tamin’ity fisamborana ity dia ny fandrenesana fa norobain’ireto andian’olona nisava trano ireto ny lelavola mitentina 130 tapitrisa Ariary, vola saika hanamboarana trano sy ny firavaka volamena milanja antsasa-kilao mahery kely. Ampahany tamin’ny vola ihany no mbola tafaverina taminy.

Raha niezaka ny nanontany fanampim-baovao avy amin’ny tompon’andraikitra eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny mpanao gazety, dia milaza ho samy tsy tompon’ny raharaha mivantana avokoa na ny teny anivon’ny Emmo-Reg na ny polisim-pirenena. Ka olon’iza ireto namita iraka nijabaka ireto ? Tranga izay manome henatra ny mpitandro ny filaminana, indrindra amin’izao vanim-potoana mampirongatra ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra maro eto amin’ny firenena. Hatreto dia tsy mbola fantatra na hijanona eo na hitohy hatreny amin’ny fitsarana ny raharaha, fa na izany aza dia milaza ny tsy hipetra-potsiny i Aina mpitsabo, noho ny fahafaham-baraka sy ny fahavoazana nihatra taminy vokatry ny tondromolotra. Manana olona ahiahiana ho tompon’antoka amin’izany rahateo izy.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT