Actualités

Aina mpitsabo eny Itaosy “Vao maika nitombo ny heriko”


  • Zoma 18 Mey 2012

Hagagana ny an’ireo olona teny amin’ny manodidina ny trano fonenan’ingahy Aina etsy Itaosy nandritra ny fidiran’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny trano fonenany ny hariva zoma 11 mey teo.

 Rehefa nentin’ny mpitandro ny filaminana nihazo ny paositry ny polisy teny Anosy izy tamin’io fotoana io, dia hagagana ny an’ny olona izay nandalo teny, fa mbola nahita azy nipetraka teo ambony tamboho ? Nambaran’i Aina mpitsabo etsy Itaosy, fa ireo hery ao aminy, io naka ny endriny io, ary niambina ny trano fonenany. Efa fantatro mialoha io tranga io, satria ireo hery samy hafa ato amiko, dia efa nilaza izany tamiko, saingy tsy azoko atao no mandositra, satria sao hambaran’ny mpisambotra ho tena olon-dratsy aho. Folo minitra mialohan’ny nahatongavan’ny EMMO-Reg tao amiko no nalefako handao ahy ireo hery ireo, ary anio zoma no hiverina ato amiko izy rehetra, satria naka namana izy ireo, ary nitombo efatra ny kalanoro ato amiko, ary ny sorabe sy ny jina, dia niampy iray.

Momba ny resaka inian’ny mpifaninana amiko amin’ity fitsaboana ity milaza fa nahoana no tsy haiko ny niaro ny tenako, dia nambarany, fa efa voalahatra ireny, satria ny zanak’Andriamanitra aza, raha namonjy izao tontolo izao, dia mbola voafantsika tamin’ny hazo fijaliana, saingy ny finoany, dia hitsangana afaka telo andro. Ny ahy koa, dia ny finoako, ny hoe tsy higadra, fa ho afaka madio, satria tsy nanao ratsy aho, fa endrikendriky ny mpitsabo mialona ahy noho ny hamaroan’ny olona ato amiko, no mahatonga izao. Tsy hamaly faty aho, fa ny eritreritry ny mpanao ratsy no hanenjika azy andro aman’alina, ka hampitotongana ny fiainan’ireny olona ireny. Izahay dia ny asa tsara no atao, ka mivavaka ho an’ireny olona ireny aza no ataoko. Tsara ny milaza, hoy i Aina, fa ireo hery ato amiko, dia hanasitrana sy hanampy ny mpiara-belona toy izay efa nataoko hatramin’izay, fa tsy natao hanenjika olona noho ny fialonana. Mahazo matoky ianareo, fa izay ninia nanendrikendrika ahy, dia hifototra tsy ho ela any aminy ny ratsy nataony tamiko, satria ireo masina mitoetra ato amiko no noviravirainy. Tsy mihena ny heriko, fa vao maika aza nitombo, ary porofon’izany ny hamaroan’ny olona tonga ato amiko, na dia mbola tsy nitsabo aza, satria niakatra avo telo heny noho ny teo aloha izany. Fifaninanana masina atao, fa ho lany andro amin’ny fanenjehana ahy anie ireny olona ireny e. 0320279868 no ahazoan’ny olona ahy hoy izy, izay tsy mbola miova io laharan’ny finday io.

Nangonin’i Pati.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT