Hahafaha ny toe-draharaha ao Port-Berger noho ny fitsabahana ara-politika ataona manam-pahefana manoloana ny fahasamborana olona ahiana ho tompon’antoka tamin’ny raharaha vono olona.
Lehilahy miisa 2 no voasambotry ny zandary ny alahady 2 oktobra teo rehefa nisy ny toromarika avy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ny 16 aogositra lasa teo ho fanatanterahana ny fisamborana olona roalahy voalaza fa namono olona roa tao Angodona, ao amin'ny kaomini Leanja. Voalaza anefa fa fa niantso ny mpampanoa lalàna ao Port-Berger sy Chef GAPJ Sofia ny olom-boafidy depiote ao anatin’ny mpanao lalàna, ary nanome baiko ny hamotsorana avy hatrany ireo olona ireo sady nandrara ny famotorana momba ny raharaha satria dahalo hono no maty. Voalaza ho nisy ny fandrahonana fa hifankahita, ary hitondra vahoaka avy any Port-Berger haka ireo olona nosamborina. Voalaza fa niantso ny kaomandin'ny Vondron- tobim- pileovana Sofia ihany koa ilay olom-boafidy, nitaky ny hamotsorana tsy misy hatak’andro ireo olona voasambotra. Vokany, nomena toromarika ny zandary tao an- toerana ny handefasana hody azy roalahy raha vao vita ny fakana am- bavany azy ireo. Natao teny an-dalana ny fakàna am- bavany azy roalahy, izay tokony ho natao tao amin'ny biraon’ny GAPJ tao Antsohihy ary nalefa nody ireo voarohirohy taorian’izay, raha ny tatitra hatrany. Re ihany koa omaly fa nisy olona telo, fianakavian'ny mpitory, nosamborin'ny fokonolona fa hoe izay no baiko avy amin’ilay olom-boafidy. Aiza ho aiza amin’izany ny fisaraham-pahefana ka ny olom-boafidy any amin’ny mpanao lalàna no mibaiko mpitsara sy mpitandro ny filaminana? Fahefana avy aiza no ahafahany mibaiko ny mpampanoa lalàna sy ny zandary? Ny fahefana nomen’ny vahoaka no hoentina miaro ny olona ahiana ho nanao heloka bavava? Tsy mbola misy filazana fa meloka na tsy meloka ny olona iray, ary adidin’ny mpanao famotorana sy ny mpitsara no manao ny asany, saingy misy mpanao politika tonga dia mitsivalana izany avy hatrany. Atao mahagaga ve avy eo raha mirongatra ny fitsaram-bahoaka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.