Actualités

Ahiana ho matin’ny Covid-19 Nampifanditra ny zandary sy ny fianankaviana ilay razana


  • Alarobia 28 Aprily 2021

Olona iray no maty teny Malaza Andoharanofotsy omaly. Voalaza fa namoy ny ainy efa tany amin’ny 4ora maraina tany ho any izy io,

 

 

 

ary ahiana ho coronavirus, saingy notazonin’ny havany tao an-trano. Tsy nanaiky izany rahateo izy ireo, ary te hitazona ny razana, raha toa ka tsy maintsy halevina ny androtry ny nahafatesana ihany ny fepetra ho an’ny lavon’ny coronavirus. Niteraka fitangoronana be ihany koa anefa ity toe-javatra ity. Niditra an-tsehatra ny zandary ny hariva efa tany amin’ny 6ora. Raikitra ny fifamaliana be teo anatrehan’ny tsy faneken’ny fianakaviana fa matin’ny valanaretina ny havany, ary tsy maintsy halevina ny androtr’iny ihany. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo zandary, ka nalevina omaly efa nandroso ho alina ihany ny razana. Tsy dia lavitra, fa vita an-tongotra niala teo amin’ny trano rahateo ny fasana raha ny fanazavana. Mafy ny fisarahana amam-paty, ary nampiova ny fomba amam-panao Malagasy ny valanaretina, ka dia ankaherezina hatrany ireo namoy havana na noho ity aretin-doza ity na ny antony hafa. Tokony mailo be hatrany kosa ny eny anivon’ny Fokontany vao hoe misy maty. Tokony hipetraka ny rindran-damina sy ny fiaraha-miasa mafonja eo amin’ny fiarahamonina, kaominina, zandary, ny dokotera ka hitsirika sy hanamarina ny toe-javatra tahaka itony. Tokony tsy hiafanafina ihany koa ny eo anivon’ny fiarahamonina raha sanatria noho ny valanaretina no nahalavo ny olona iray satria mety hanitatra ny fahavoazana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT