Actualités

Ahiana handravarava Ho avy amin’ity herinandro ity ny rivodoza Batsirai


  • Alatsinainy 31 Janoary 2022

Tombanana hisy fiantraikany ho an’ny tapany antsinanan’i Madagasikara manomboka ny alarobia 03 janoary 2022 izao ny rivodoza batsirai.

 Miantso fahamailoana eo anatrehan’izany ny mpamantatra ny mety ho toetry ny andro, indrindra fa an’iny tapany atsinanana. Omaly tamin’ny 4ora hariva, tany amin’ny 1815 km atsinanan’i Sainte Marie ny foibeny, ary voasokajy ho rivodoza mahery vaika ahiana handravava mafy indray, raha tany amin’ny 3270 km ny alakamisy teo. Tombanana ho any amin’ny 150 km isan’ora ny rivotra entiny, ary arahina tafiotra hatrany amin’ny 210km/ora. Mikisaka niakandrefana somary Avaratra Andrefana izy ka nahafaka 16 Km/ora. Ato anatin’ny andro maromaro ho avy kosa dia hikisaka miakandrefana izy amin’ny ankapobeny amin’ny hafainganam-pandehany manodidina ny 17 Km/ora. Raha ny vina lavitra ezaka (amin’ny tapany faharoa amin’ny ny herinandro) dia hanambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza mahery ity. Mbola tsy dia mazava loatra kosa anefa ny toerana mety hidirany an-tanety.
HO HENJANA NY TOEDRAHARAHA RAHA …
Ny eo tsy voaarina ny eo mandindona. Efa tafiakatra 55 no namoy ny ainy vokatry ny tondra-drano nateraky ny andro ratsy teto amin’ny firenena, raha ny tatitra omaly tamin’ny 5ora hariva. Miisa 131 549 ny traboina, izay mitsinjara amin’ny faritra 12 manerana an’i Madagasikara. 32 801 kosa ireo nafindra toerana vonjimaika manerana ny Nosy, ka ny 32 420 amin’ireo dia traboina eto Antananarivo Renivohitra ary nafindra amin’ireo toerana fandraisana traboina vonjimaika miisa 77. Rehefa fa mihoatra amin’ny “Capacité nationale” na ny zakan’ny firenena ny famaliana ny filàna dia voatery isika manafatra ny firenena maneran-tany ihany hanampy, ka izay no antony nanambarana ny voinam-pirenena na “état de sinisitre national” ny alakamisy 27 desambra. “Raha tahiany ka tsy misy ny orana, nanomboka afak’omaly, dia ao anatin’ny iray volana, vao hihena 50% ny rano miandrona, izany hoe tsy afaka manao na inona na inona amin’izao fotoana izao” hoy ny Jeneraly Elack Olivier Lehiben’ny BNGRC ny zoma teo. Mbola eritreretina izany ny hamahana ny olan’ireo traboina ao anatin’ny roa volana raha tsy avy ny orana, ary vao ny eto Antananarivo ihany aza izany, hoy ny fanazavana. Na misy aza ny fitaovana fandritrana rano dia tsy misy hanariana azy. Raha mbola hiampy ny fahavoazana dia tena zava-doza. Mila fiomanana hentitra na ho an’ny Fanjakana na ho an’ny vahoaka.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT