Actualités

Ahiahina hala-jaza, fitsaram-bahoaka Sakoroka sy poa-basy be tany Manja-Menabe omaly


  • Alatsinainy 13 Jona 2022

Nisehoana gidragidra tsy nifankahitana omaly alahady 12 jona 2022 nanomboka ny atoandro nitohy ny takariva efa maty masoandro tany Manja, ao anatin’ny Faritra Menabe.

Antony ny fahatrarana fiara tsy mataho-dàlana iray nahitana olona miisa 5 (4 lahy, 1 vavy) tao anatiny, izay nalaza sy voaroahirohy ho mpangala-jaza. Nentin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny paositry ny polisin’i Manja ireo olona voarohirohy ireo. Tonga teny amin’ny tokontanin’ny paositry ny polisy anefa ny fokonolona nikasa sy nitaky ny hamonoana ireo olona voasambotra ireo. Hatramin’ny hariva tsy nanaiky hiala teny, ka raikitra ny poa-basy nirefodrefotra nentina nanaparitaka ireo vahoaka. Tetsy ankilany, nopotehin’ny vahoaka ilay fiara tsy mataho-dàlana, voaroba ihany koa ny Biraon’ny Minisiteran’ny mponina izay fotodrafitrasa manara-penitra vao vita ao Manja. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha sy ny akony, fa omaly efa madiva ho alina, dia mbola nisy ny poa-basy nirefodrefotra. Malaza ny hala-jaza sy halatra taova any an-toerana, ka hendratrendratra ny olona, ary toa tsy te hahalala fa fandikan-dalàna ny fitsaram-bahoaka. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 23 may lasa teo dia nisy tovolahikely 8 taona hita tany amin’ny RN9 tokony ho 3km miala an’i Manja izay noloarana ary efa nikirazorazo ny masony. Monina ao Sahalava izy, saingy efa volana maromaro izay no nahavery azy tany Fianarantsoa. Voalaza fa tafaporitsaka tany am-pelatanan’ny mpangala-jaza, ary teo am-panalana ny voamasony ireo olon-dratsy no votsotra ity tovolahikely ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT