Agrad&Skaiz

> Niseho masoandro ny kapila «Hita Wa»


  • Talata 27 Aogositra 2013

Natolotra ny mpanao gazety sy ireo mpankafy ny gadona rap omaly ny vokatra kapila mangirana mitondra ny lohateny hoe : «Hita Wa» an'i Agrad&Skaiz.

Tetsy amin'ny Planette Terasse Ambohijatovo no nanolorana azy io. Mampiavaka azy ity ny namokarana azy tany ivelany, araka ny filazan'i Don Smokila izay mpamokatra azy io amin'ny alalan'ny Gasy'Ploit. Izany no natao moa dia mba hialana amin'ny fangalan-tahaka izay ataon'ireo mpanao piraty eto amintsika, ka mahafaty ireo artista. Ireto farany anefa dia mametraka ny hirany ho fototry ny fitadiavam-bolany ary efa miezaka tokoa mba hahatonga azy ireo ho matihanina tanteraka. Anisan'ny hanehoana io maha matihanina io ihany koa ny famokarana ilay kapila tany ivelany izay vokatry ny fiaraha-miasa tamina mpanakanto avy any ivelany. Fantatra fa hira folo no ao anatin'io kapila io ka ny tantaran'ny fiainana andavanandro no tena mibahana amin'izany.

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT