Agents déflatés BFV

BTM 14 taona niandry ny onitra avy amin’ny fanjakana


  • Talata 30 Jolay 2013

Niandry vasoka nandritra ny 14 taona ny tombontsoa ara-bola tokony ho azony avy amin’ny fanjakana ireo mpiasan’ny banky BFV/BTM.

Nampanantenaina onitra noho ny fanekeny hiala amin’ny asany izy ireo saingy olon-kafa indray no nitavana izay tombontsoa kely nomen’ny Ministeran’ny tetibola. Bolongam-bola mitentina 36.6 miliara Ariary no nifanarahan’ny mpiasa sy ny ministera tamin’ny taona 1999 nisian’ilay fifanarahana. Mpiasa miisa 1.179 no tokony hizara io vola io. Ampaham-bola mitentina 6.6 miliara no mbola naloan’ny Ministeran’ny tetibola ary olom-bitsy ihany no nahazo anjara tamin’izany, hoy Ralaimidona Paul Raymond, filohan’ny sendikan’ireto mpiasa taloha tao amin’ny BFV/BTM ireto. 100 eo ihany, izy ireo araka ny fanazavany hatrany. Nomarihany koa fa nahodin’ilay nitonona ho solontenan’ny mpiasa izay nandray ilay vola ny ampahany betsaka. Resy teo anatrehan’ny fitsarana moa ity farany rehefa notorian’ny sendika sy ny ministera. Tsy nanaja ny fifanarahana koa ny fanjakana izay tsy nanome vola intsony. Notorian’ny sendika indray ny Ministeran’ny tetibola tamin’ny septambra 2010 noho ny fandrirarirana. Rehefa tsy misy vokany izany dia nametraka fitoriana teny anivon’ny Filankevi-panjakana ny sendika. Amin’ny 1 aogositra izao no fotoam-pitsarana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT