Actualités

“Agent de sécurité” maty teny Ivato Mpiara-miasa aminy ihany no voarohirohy


  • Alarobia 18 Mey 2011

Fantatra amin’izao fotoana izao fa ireo “agents de securité” sy «controleurs» naman’ilay “agent de sécurité», izay vao 26 taona, hita maty teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ihany no voarohirohy ho namono azy.

 Noho ny halatra tao amin’ilay toerana niambenan’ny maty tao amin’ny Sonavam teo aloha no fantatra fa antony namonoana azy. Manodidina ny 4 amin’izao fotoana izao no nosamborin’ny zandary eny amin’ny seranana izay olona akaiky ilay maty avokoa. Hatramin’ny nahitana ny razana tamin’ny alahady 15 mey no efa nampiahiahy ireo “controleurs” roa. Nilaza mantsy izy ireo rehefa nanontanian’ny zandary ilay “agent de sécurité” hita mitsirara eo amin’ny tany fa matory io agent io. Rehefa nojerena anefa ilay izy dia maty. Hafahafa ihany koa ny nahitana fanamiana iray hafa an’ireo mpiambina nihosin-dra mihitsy tamin’io fotoana io. Ny zoma alina ihany koa dia efa nisy nanafika ireo mpiambina ary nisy ny naratra. Tamin’izay dia efa nilaza tamin’ireo controleur ny zandary teny Ivato fa tokony hohamafisina ny fiambenana io toerana io. Gaga anefa ireo mpitandro ny filaminana raha nahita ny alahady fa mpiambina iray ihany no hita maty tao.

 

Rakoto Maxime

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT