Actualités

AFHAM Nifarana ny fankalazana ny faha 10 taona


  • Alakamisy 02 Septambra 2021

Nifarana tanteraka ny fankalazana ny faha-10 taona nijoroan’ny AFHAM tarihin-dRazafinjato Fela. Tao anatin'izay 10 taona izay raha tsiahivina dia faritra 19 eto Madagasikara

 no efa misy ny AFHAM ary ahitana mpikambana miisa 600. Ny AFHAM no mandray an-tanana ireo vehivavy tra-pahasembanana amin'ny alalan'ny fiofanana, fandraisana an-tanana sy fihainoana ary toro-lalana omena azy ireny. Anisan'ny tanjon'ny fikambanana ny fampahaleovan-tena ireo vehivavy manana fahasembanana amin'ny alalan'ny fampananan’asa. Nanatrika ny lanonana ny Minisitry ny Mponina Soafilira Princia. Nambarany nandritra ny lahanteniny fa adidin'ny Minisiteran'ny Mponina ny miahy ireo olona manana fahasembanana ka vonona tanteraka ny Minisitera sahaniny ny hanohana amin'ny torohevitra sy amin'ny fampivoarana ary ny fitandrovana ny zon'izy ireny.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT