Actualités

Aferan-tsolika Ho vitavita ho azy ilay 64 000 litatra nanjavona ?


  • Alakamisy 30 Jona 2022

Tsy hita intsony izay marina sy diso mikasika ilay raharaha fahaverezan-tsolika 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama. Andaniny,

nisy ny resaka nandeha tany aloha fa dosie hosoka no nentina nakana solika, ary orinasam-pitaterana ana vadina solombavambahoaka vehivavy izay lany tamin’ny IRD no naka azy. Ankehitriny, nilaza ny eo anivon’ny orinasa Jirama fa mpamily roa mpiasan’ny orinasa izay mpitatitra solika amin’izao no arahin’ny fitsarana maso.Olona maro no efa nalaina am-bavany mahakasika ity raharaha ity, taorian’ny fitoriana napetraky ny orinasa raha ny voalaza hatrany. Isan’izany ireo mpamily roa voalaza etsy ambony. “Ananan’ny Jirama porofo mazava ny hiapangana ireo mpamily ireo. Anaty fanadihadihana lalina momba ireo porofo ireo ny fitsarana amin’izao. Tafiditra ao anatin’ny fitsirihana sy ny fanadiovana anatiny sy ivelany eo anivon’ny Jirama izao fitoriana izao”, hoy ny vaovao notaterina tao anaty penjim-baovaon’ny fitondrana. Tsara ny mampahatsiahy, fa olona 8 no voarohirohy, ka ny 2 mpamilin’ireo fiara mpitondra solika, ary ny 6 mpiasan’ny Jirama. Efa nilaza ireo mpamily tetsy ankilany nanitrikitrika, fa efa tonga teny Ambohimanambola ny solika, ary nisy ny “bon de livraison” sy “bon de réception” mazava izay nosoniavin’ny mpiasa miisa 3 avy, ary an’ny mpamily ny fahaefatra. Samy nahazo fahafahana narahina fepetra moa ireo voarohirohy. Rehefa zohiana, zary lasa fifanilihana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany no betsaka momba ity raharaha fahaverezan-tsolika an’aliny litatra ity. Ny vahoaka no lasibatry ny delestazy andro aman’alina, faktiora midangana, kanefa ny afera maloto mandeha. Toa ifanilihana sy ifandrirarirana ary mitady ho afa-maina ireo mpanao afera maloto. Raha ny momba ny Jirama, betsaka ny fitantanana toa miharo halatra sy kolikoly na figohana tombotsoa mihoampampana raha tsy hilaza afatsy ilay resaka zaridaina 1 miliara Ar, ny vola 1 miliara Ar voalaza fa nifampizarana,… Misy ihany koa anefa ireo avy aty ivelany izay mety miezaka mitsetsitra izay azony tsetsefina. Tena miady sa mody manao vazaha mody miady ireo mifanitsoka sy mifanilika amin’ity aferan-tsolika 64000 litatra ity? Ny vahoaka no toa arirarira lava fa ny afera maloto mangingina ho azy ao ihany, tahaka ny raharaha Air Madagascar, raharaha CNaPS,.. ary io fa efa tahaka izany ihany koa ny Jirama.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT