Natsangana tamin’ny fomba ara-dalàna ny kaomisionina mpanao fandihadiana
teo anivon’ny Antenimierandoholona mahakasika lafin-javatra maromaro, hanao ny tatitra, halefa any amin’ny Minisitry ny Fitsarana miaraka amin’ny taratasy mavesabesatra, izay androany hariva ihany no hanaovana izany, hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotoavao omaly. Azo norarana raha efa nisy dingana ara-pitsarana nandeha, ka ara-dalàna matoa tsy nisy ny sakana, hoy izy. Mahita fa betsaka ny tsy fihetezana, ka rariny raha nanaovana fanadihadiana, saingy noho ny fotoana dia vitsivitsy no notsongaina. Toe-javatra 4 no nosafidiana nanaovana fanadihadiana dia ny: ny vaky fonja nisiana fahafatesana gadra maro be tany Farafangana, ny Fitantanana ny volan’ny covid-19, ny anarana miverin-droa tamin’ny lisi-pifidianana 2018, ny fividianana fitaovam-piadiana tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana. Ity farany izay efa nambaran’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny Talen’ny fampitaovana Jeneraly Kasimo ny volana desambra teo, fa tafiditra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2018, novidiana 15 miliara ariary tany Chine. Aorian’ny fanolorana ny tatitra any amin’ny governemanta vao afaka hilaza sy hamoaka ny valin’ny fanadihadiany rehetra nataony amin’ny valalabemandry ny loholona. Nanamafy i Rivo Rakotovao fa tsy tokony havela ho vary mangatsiaka eto amin’ny firenena ny raharaha, fa mila tohizana. Asa na hisy tohiny fa ho any amin’ny Fitsarana ny baolina ary efa handao ny toerany rahateo ireo loholona ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.