Actualités

Afera maizina ao amin’ny JIRAMA Olona 5 no voarohirohy, nisy efa nidoboka am-ponja


  • Alarobia 09 Desambra 2020

Araka ireo vaovao nivoaka tamin’ireo haino, vaky, jery tamin’iny faran’ny

 

 

herinandro iny sy ny didim-pitsarana laharana 039 tamin’ny 03 desambra teo, dia mpiara-miasa amin’ny JIRAMA miisa dimy no voarohirohy amin’ny raharaha eny anivon’ny PAC/TANA (Poles Anti-Corruption Antananarivo). Misy ihany koa ny orinasa miara-miasa amin’ny JIRAMA sy mpiara-miasa amin’ny JIRAMA teo aloha voarohirohy amin’ity tranga ity. Raha ny vaovao dia nampidirina am-ponja vonjimaika ny sasany tamin’ ireo mpiara-miasa amin’ny JIRAMA ireo. Noho izany didim-pitsarana izany dia mampahafantatra ny JIRAMA fa araka ny lalàna mifehy ny asa ao amin’ny andininy faha-13, andalana faha-11 mahakasika indrindra ny fampitaovana vonjimaika ireo fifanarahana arak’asa dia miato vonjimaika ny fifanarahana ara-kasan’ireo mpiara-miasan’ny orinasa JIRAMA naiditra am-ponja vonjimaika ireo. Manaraka izany, ny orinasa JIRAMA dia mandray fepetra ho an’ireo tompon’andraikitra ambony voapanga ka haato vonjimaika amin’ny andraikiny izy ireo mba hialàna amin’ny mety ho fahavoazan’ny orinasa aterak’izany. Nisafidy ho partie civile ny JIRAMA vokatry ny fatiantoka sedrain’ny orinasa noho io toe-javatra io. Ary farany dia naato avy hatrany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ilay orinasa « prestataire » .

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT