Namatrapatratra ny Pr Zafy Albert nandritra ny hetsika tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 20 aogositra teo.
Naompany manontolo tamin’ny resaka «bois de rose» ny lahateniny, ka nanaovany ampamoaka satria dia manao hetsika daholo ny faritra manana «bois de rose» ary ireo Faritra andalovan’io hazo sarobidy io, hoy izy. Ny madinika ihany no iharan’ny famaizana ao anatin’ity raharaha ity, hoy ny Profesora fa ireo lehibe toa milamindamina hatrany nefa «fantatra daholo ny momba an’ireo», hoy izy. Anarana maromaro no voatonona tamin’io sabotsy io, izay voarakitra an-tsoratra ary nasehon’ny Pr Zafy ampahibemaso nanoloana ireo vahoaka nangorompotsy tonga tao amin’ny Magro io. «Rosewoodgate” no iantsoany azy ity, ary nambarany fa nomeny dika mitovy amin’izany dosie izany ny Dr Leonardo Simao nandritra ny dian’ity farany teto.
Nampitovian’ny Pr Zafy Albert amin’ny raharaha “Watergate” izay nitarika tamin’ny fialan’i Nixon teo amin’ny fitondrana tany Amerika ity «Rosewoodgate” ity. Mitaky ny mangaraharaha amin’io resaka “bois de rose” io ny Vahoaka, hoy izy, ary mitaky ny hamerenana ny vola rehetra azo tamin’io, fa tsy mila izany fitsarana manokana izany ! Hentitra aza ny teniny, mitaky ny hialan’i Andry Rajoelina tahaka ny nataon’i Nixon. «Ao anatin’ilay dosie «Rosewoodgate” dia miteny aho fa tsy mila an’i Andry Rajoelina hitondra ny tetezamita intsony satria nesoriko taminy ny fitokisana vita tany Pretoria. Izaho no nikiry fa i Andry Rajoelina no hatao filoha hampilamina ny raharaha saingy ny momba ny lasa izany”, hoy ny Pr Zafy Albert. Nampitaina nivantana an-tariby ho re tao amin’ny Magro Tanambao V Toamasina nisian’ny hetsiky ny Rodobe Toamasina tamin’io sabotsy io ity ampamoaka nataon’ny filoham-pirenena teo aloha ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.