Actualités

Afera “bois de rose” «Avoahy ny marina dia milamina ny firenena !», hoy ny Ankolafy Zafy


  • Alarobia 25 Aprily 2012

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny ankolafy Zafy manoloana ny raharaha andramena. “Raha tsy mivoaka ny marina rehetra momba ny fanaovana ampihimamba ataon’ny mpitondra ny harem-pirenena, indrindra momba ity afera malaza ity dia tsy hisy izany filaminana izany”, hoy i Lalatiana Ravololomanana.

 Mikasa hanatona ny mpampanoa lalàna fanindroany indray ry zareo taorian’ny filazan’ny talen’ny kabinetran’ny Minisitry ny fitsarana fa tsy mbola tonga eny anivon’ny ministera ny dosie izay nolazaina azy ireo ho efa nampirimina. Tsy mbola nambaran’izy ireo mazava anefa ny datinandro handehanana indray eny Anosy io. Raha sanatria tokoa ka efa nokilasiana na nampirimina io fitoriana io dia hirotsaka ho “partie civile” indray izahay, hoy i Tombondraza Dominique avy amin’ny Tanora Ankolafy Zafy. Ankoatra izay dia hisy ny fanetsehana ny fitoriana napetraka eny amin’ny Bianco momba ity raharaha ity ihany izay tsy ahenoana tohiny hatramin’izao. Hatao laharampahamehana koa ny fanaterana dosie eny anivon’ny Masoivoho sinoa satria ny ambasadaoro vaovao dia milaza fa tsy manana ny anaran’ireo mpiray tanindrazana aminy voasaringotra amin’ny resaka andramena ahafahany manao fanadihadiana.

Mbola notsiahivin’ireto avy amin’ny ankolafy Zafy ireto indray fa “tsy i Andry Rajoelina irery no torian’ny profesora Zafy ho tomponandraikitra amin’ny fanondranana an-tsokotsoko ny andramena fa anisan’izany koa i Mamy Ravatomanga”. “Mitory an’ny Dr Joseph sy ny Free FM ho manosoketa azy ity farany izao koa nahoana raha mitory ny filoha Zafy koa ?”, hoy Ralalasoa Sophia avy amin’ny Reny Mijoro, fikambanana mivondrona ao anatin’ny Ankolafy Zafy ihany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT