Olana goavana sedrain’ny ankamaroan’ny tokantrano hatramin’izao ny resaka fitsaboan-tena.
Vitsiana ihany mantsy no mba nanana antoka hahazoany mitsabo tena eny anivon’ireny orinasa hiasany ireny fa ny ankoatra izay dia miaina amin’ny fanaovana dokoterany na ny fanatonana ny CSB II avokoa. Ho an’ny AFAFI ( Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana) manokana izay tsy manana tanjona ara-bola fa mikendry kosa ny hanasoa ny mpiara-belona dia nanohy ny fiaraha-miasany tamin’ny kaominina Andranonahoatra, distrikan’Antananarivo Atsimondrano izy ireo amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny mponina. Raha ny Fokontany Ambaniala no nisantarany izany, fiaraha-miasa efa nanomboka tamin’ny taona 2017 dia efa miitatra amina Fokontany 2 izany ankehitriny dia ny Fokontany Ambanilalana sy Ambohimamory. Miditra ho mpikambana ao anatin’ny AFAFI ny olona iray ka 1500 Ar monja no vola alohany amin’izany raha tokony ho 3.000 Ar. Eny amin’ny biraon’ny Fokontany no mandeha ireo dokotera miara-miasa amin’ny AFAFI mijery sy manara-maso ireo olona mpikambana tojo tsy fahasalamana. Ireo dokotera ireo indray aorian’izany no mandefa irery marary eny anivon’ny hopitaly raha toa ka ilaina izany izay tsy miova ny sarany fa 1500 Ar ihany. Izany no natao dia entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny tsirairay. Ezahina hotohizana manerana ny Fokontany miisa 7 moa izany ho an’ny kaominina Andranonahoatra raha manerana ny faritra 22 kosa ho an’ny AFAFI.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.