Sokatra 3 ka hatramin’ny 12 taona miisa 273 no tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly talata tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, nokasaina haondrana an-tsokosoko any Dar es Salam Tanzania. Tovolahy teratany Malagasy, 31 taona no tompon’antoka tamin’izany. Teo am-pisavana ny entany no tratra ireto sokatra ireto, izay notsinjarainy tao anaty valizy roa. Maty moa ny iray tamin’ireo sokatra raha naterina amina toerana azo antoka kosa ny ambiny mba harahi-maso ny fahasalamany, ka ny Alliance Voahary Gasy no hisahana izany. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Alliance Voahary Gasy sy ny zandarimariam-pirenena rahateo no nahatrarana ity tovolahy ity. Ny vanim-potoana tahaka izao no hahafahan’ny sokatra mivoaka ka manamora ny fisamborana azy. Ny fotoana ankatoky ny fety tahaka izao ihany koa no isamboran’ny olona sokatra mba hohaniny satria tsy misy vola.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.