Actualités

Aéroport-Ivato Mpanohana an’i Angola an-jatony notazonina


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Ny sabotsy 27 aogositra maraina be, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho ny any, no nigadona ny fiaramanidina manokana izay nitondra ireo «spekta» ny ekipam-pirenen’i Angola.

Nigadona teto Madagasikara, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina etsy Ivato izy ireo, mba hanotrona ny fifanandrinana izay hataon’i Angola amin’ny ekipam-pirenena Nigéria mandritry ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny taranja basket-ball natao io andro io. Ny olana dia tonga teo Ivato izy ireo, nefa tsy nanana na taratasy fanamarinana na pasipaoro. Tsy nisy akory, farafaharatsiny, na dia taratasy avy amin’ny fanjakana Angola mba manome alalana manokana azy ireo mba higadona eto Madagasikara. Mifandraika amin’izany ihany koa, tsy nisy taratasy fangatahana alalana ho an’ny fanjakana malagasy sy ny mpandraharaha momba ny seranana fa dia nigadona toy ireny nandeha taksiborosy ireny ka miala amin’ny «stationnement» ireo olona an-jatony.

Voatery nandray fepetra avy hatrany ny tompon’andraikitra malagasy tao amin’ny seranam-piaramanidina tetsy Ivato. Notazonina tsy nisy navela mahazo mivoaka ireo olona marobe izay nitabataba satria toa tsy azon’izy ireo loatra angamba ny antony nitazonana azy, na koa noho ny di-doha fotsiny. Taorian’izay dia voatery nijery marimaritra iraisana ny tompon’andraikitra ka niantso tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika. Io no voalaza fa nanome alalana azy ireo niditra soa aman-tsara teto an-drenivohitra. Dia nilamina ny raharaha, toa tsy nasiana olana loatra. Izay koa angamba ilay kolontsaina «moramora» izay toa lasa fantatra maneran-tany ka hararaotin’ny olona. Ary raha mba heverina fa Malagasy an-jatony no indray tonga any Angola ka migadona tsy misy taratasy na ny kely aza ? Anjaran’ny tsirairay no maminavina ny valiny.
 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT