Actualités

Ady totohondry tany Toamasina Maty vokatry ny dona mafy ilay mpikatroka


  • Alarobia 08 Jona 2022

Lehilahy iray antsoina hoe Marolahy Christian mpanao ady totohondry avy amin'ny klioba FITAMI ao Toamasina no namoy ny ainy taorian’ny ady nataony ny alatsinain’ny paska 06 jona lasa teo.

Voadona mafy izy nandritry ny ady nataony farany tao amin’ny CRJS Toamasina ary nianjera, raha ny ambangovangon’ny fanazavana ny zava-nitranga. Nentina tany amin'ny Hopitaly ihany fotoana vitsy taorian'izay saingy tsy tana intsony ny ainy. Heverina fa nahery vaika ny dona, ary ahiana ho ny loha no voa mafy, ka nitarika ny fahafatesana.Nisy ihany koa ve ny fizahana ara-pahasalamana mialoha ny lalao. Andrasana izay fanazavana ofisialy avy amin’ny federasionin’ny ady totohondry. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’ny namoy ny ainy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT