Ny taona 2005 no tena nanomboka ny ady mikasika ity tanindrazanay eto Antanandrano,
kaominina Ankadikely Ilafy ity, hoy i Thérèse Raketamalala, izay nanamafy fa zafikelin’ny tompon’ity tany ity. Tsy fantatro no nipoiran’io orinasa io, hoy izy. Izay no angatahanay fanazavana amin’ny mpitondra fanjakana mikasika izao fahafahany maka ny taninay izao. Tompon’andraikitra voalohany ao anatin’izao raharaha izao ny kaominin’Ankadikely satria raha tsy nanome io fahazoan-dalana sadasada io izy tsy nisy izao. Ny 27 aprily izahay no nitondra ny “juridique” misy “pré notation”. 28 aprily izy nanao sonia. Araka ny voalazan’ny lehiben’ny fokontany eto aminay moa dia nandoavana ny karaman’ny mpiasa ilay vola. Avy amin’ny alalan’ny kolikoly ve no nandoavana karama? Sanatria izaho izay isan’ny nampandany io ben’ny tanana io no haniratsira azy. Gaga aho ankehitriny fa izy indray no manao ny tsy tokony atao. Manaratsy endrika ny fitondrana izao ataon’ny ben’ny tanana izao satria olona anaty antokony io. Efa resinay teo amin’ny fitsarana hatramin’ny 2005 io orinasa io fa ny mahagaga amin’ny niafaran’ity dosie ity dia miaka-midiny avy any amin’ny fara-tampony mankany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany indray ilay raharaha amin’izao fotoana izao. Eto Madagasikara ihany angamba no misy an’izany. Izay io tsy ekenay io, mbola manao antso avo ny fitondram-panjakana izahay ary misaotra ny sekretera jeneraly miadidy ny zandarimaria nihaino na dia mbola tsy miala eo amin’ny taninay ihany aza ireo mpitandro filaminana. Ho mafimafy kokoa noho izao ny hetsikay raha manohy mamefy ny taninay ireo. Efa miha romotra ny olona. an-jatony moa ireo mpandova, hoy hatrany ny tenany, eto amin’ity velaran-tany 30ha ity. Ny alakamisy teo no nankaty kosa dia tsikaritra ho miha mampiditra ny fitaovany ao anatin’ity velaran-tany ity hatrany ilay orinasa voalaza fa ana teratany Karana manana ady amin’ity fianakaviana ity ary tsy miala eny an-toerana mifehy ireo mponina ny mpitandro filaminana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.