Actualités

Ady tany eny Antanandrano Nokianin’ny minisitry ny fitsarana ny depiote Raholdina


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Azo atao hoe mangotraka ny fifandraisana eo amin’ny depiote voafidy teto Antananarivo faha 5 Naivo raholdina sy ny minisitry ny fitsarana Jhonny Richard Andriamahefarivo,

 

 noho ny olana ara-tany eny Antanandrano.Nilaza ny minisitra fa olom-bitsy nahavita nanova taratasin-tany teny amin’ny « domaine » ka nanoratra ny tany eny Antanandrano no arovan’ny depiote Raholdina. Nisy ny nanao hosoka tamin’ny resaka taratasin-tany eo amin’io Antanandrano io ka efa nigadra amin’izao fotoana, hoy ny minisitry ny fitsarana izay nanitrikitrika fa mpanao fitsabahana (intervention) ny depiote Naivo Raholdina.Efa in-telo ianao no tonga tao amin’ny biraoko momba io raharaha io ary efa tapitra notetezinao ny mpitsara ka fanaovana « intervention » no iantsoana izany ka rehefa betsaka dia lasa mahasosotra sy mahakivy ny olona ihany, hoy ny minisitry ny fitsarana.Nahitsy i Jhonny Richard Andriamahefarivo nilaza hoe : « hajao andriamatoa depiote ny didim-pitsarana ary aoka tsy hitarika vahoaka hitokona ianao ; mamoaka didim-pitsarana amin’ny anaran’ny vahoaka ihany koa izahay ka aza asafotofoto ny resaka hoe nomena Karana dia iny no hitaritana olona.Etsy ankilan’izay moa manafy ny depiote Naivo raholdina fa tokony atsangana ny fitsarana manokana momba ny ady tany.Raha ny fahitana ny tranga tato anaty andro vitsivitsy sy ny resaka tamin’ny fifanatrehan’ny governemanta tamin’ny antenimierampirenena teny amin’ny CCI Ivato ny faran’ny herinandro teo aloha izany dia tsy faly amin’ny fihetsiky ny depiote Naivo Raholdina ny minisitry ny fitsarana sy ny mpitsara amin’ny ankapobeny noho izy voalaza fa nanao tsindry bokotra ny amin’ny tokony hanovana ny didim-pitsarana.Mazava ny tenin’ny minisitry ny fitsarana anefa : ny taona 1953 no nalain’ny fanjakana ny tany, ary taty amin’ny taona 2004 indray no naverina tamin’ny tompony.
RTT


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT