Taorian’ny ady tany etsy amin’ny Pochard izay tsy mbola hifandroritana tanteraka ankehitriny dia nipongatra indray ny eny Ankadikely Ilafy,
tany izay misy fasana mbola feno razana mihitsy. Raha araka ny fantatra dia fasana fianakaviana iray efa 20 taona niorenana tamina tany iray no alaina manamboninahitra iray amin’ny toerany, tsy misy hatak’andro fa teo no ho eo. Ny sabotsy teo no nitrangan’izany ka nampirongatra mafy ny hatezeran’ireo fianakaviana tompom-pasana ary nihaonany tamin’ny mpanao gazety. Nambaran’ireto farany fa manaiky ny hanala ny fasany sy ny taolambalon’ny havany amin’io toerana io izy ireo saingy mba mangataka fotoana hahafahany manatanteraka izany kosa satria tsy moramora ny manao zavatra. Nanambara moa ireo olona tompon-tany izay marihina fa nampiseho kadasitra ny maha tompon’ny tany ara-dalàna azy fa tsy ao anatin’ny faritra misy ny tanin’izy ireo mihitsy io fasana io. Antso avo no hatao amin’ny fanjakana mba hijery akaiky ny resaka ady tany eto amintsika tahaka itony hisorohana ny mety hisian’ny fifandonana eo amin’ny mponina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.