Actualités

Ady tany eny Andoharanofotsy Voatonotonona i Alain Andriamiseza


  • Talata 15 Jona 2021

Misy ny fifanolanana ara-tany eo amin’Atoa Alain Andriamiseza Minisitra teo aloha sy ireo olona mipetraka eo amin’ny tany

 

 

 izay hiadian’ny andaniny sy ny ankilany. Samy manana ny heveriny fa marina sy rariny avy ny andaniny sy ny ankilany, ary samy maneho ho porofo amin’ny maha azy ny tany. Omaly tonga teny Andoharanofotsy niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, nandroaka ireo olona teo amin'ny trano sy ny tany Atoa Alain Andriamiseza, ka nanaiky tsy fidiny hiala aloha ireo ankilany nanoloana ny firodorodon'ny mpitandro filaminana, raha ny vaovao azo avy eny an-toerana. Nitondra “titre” rahateo Atoa Alain Andriamiseza nentiny nanehoana ny maha ara-dalàna ny maha azy ny fananana. Voalaza ihany koa anefa etsy ankilany, fa mbola mandeha eny amin’ny fitsarana ity raharaha ity. Gaga sy talanjona ihany koa ireo olona monina eo amin’ilay tany izay manana “Titre Original”, hoe fa nivoaka avy aiza ny “titre” naseho azy ireo omaly ka nanamafisana ny fandroahana azy ireo. Tsy nahazo fampiantsoana na fampahafantarana ireto olona ireto hoe atao ny fitsarana momba ilay tany. Andrasana ny ho tohiny.

 Tevez

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT