Actualités

Ady tany ao Tanambaoo V-Toamasina Tsy fantatar intsony izay tena tompony


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Ny taona 2011 no nanomboka ny tantara, raha ny fanazavan’ny mpanazary farany ny tany mitondra ny anarana hoe Tanambao V,

mitondra ny titra laharana 641-BA ao amin’ny firaisana Tanambao V, Toamasina. Araka ny fanazavana, dia nisy ny fanapahana navoakan’ny kaominin’I Toamasina ny 2 may 2011 tamin’ny alalan’ny filohan’ny delegasionina manokana tamin’izany fotoana izany, nanome ity ampahan-tany ity ho azy. Nipetraka teo aho, hoy izy, rehefa vitako ny fanatsarana ilay trano satria dia fanarian’olona maloto sy fako teo. Tsy nisy olana mihitsy nandritry ny 10 taona nipetrahako teo, izany hoe ny taona 2011 noho nakaty. Gaga be aho ankehitriny fa misy olon-kafa milaza ho tompon’ny tany ka izao miafara amin’ny fanalana ahy izao, hoy hatrany ny fanazavana. Etsy an-kilany dia manana taratasy fanapahana manome ampahan-tany mirefy 230m2 amin’ity tany voalaza teo ity ihany koa ilay milaza ho tompon’ny tany amin’izao fotoana izao ary anton’ny fitakian’ilay efa voalaza ho nanazary ny tany nandritry ny 10 taona. Tsy hita intsony, araka izany, izay tena tompon’ity toerana ity saingy mandra-piandry ny fanapahana manaraka havoakan’ny kaominina sy ny didy avoakan’ny fitsarana anefa dia hita ho mitohy ny fifandirana eo amin’ireo roa tonta milaza ho samy tompon’ny tany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT