Ady tany ao Betsizaraina

> Nahita faisana noho ny fifandisoam-panamarihana ny Fokonolona


  • Alarobia 04 Septambra 2013


Nidina ifotony nijery ny zava-misy manoloana ny fifanolanana ara-tany mahazo ny mponina eny Betsizaraina Antananarivo Avaradrano ny tambajotra HAFARI Malagasy noho ny fangatahan’ireo mponina ao amin’ny tany antsoina hoe : «Betsizaraina Sud» izay niharan’ny sazy henjana nitarika fampidirana am-ponja ny 5 tamin’izy ireo fa voalaza tsy nanatanteraka didy navoakan’ny fitsarana amin’ny tokony hialan-dry zareo amin’ny ampahan-tany «Parcelle 200» sy «Parcelle 361» voalaza fa manan-tompo. Rehefa nohamarinina anefa dia ny “Parcelle 404” an’izany Rainisolofo izany no nitoeran’ireo fianakaviana ahitana hatramin’ny 200 olona any ho any ary tsy misy ifandraisany amin’ilay didy navoakan’ny fitsarana mihitsy. Tena mateti-piavy loatra ny trangan-javatra mampidin-kizo olona tsy manan-tsiny tahaka itony, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny HAFARI, ka angatahanay ny tokony hisian’ny mpiasan’ny fandrefesan-tany sy fananan-tany matihanina manamarina ireny adin-tany ireny mialoha ny famoahan’ny fitsarana didy. Marihina fa hiakatra fitsarana ao Anosy amin’ny 24 septambra 2013 ity raharaha Betsizaraina ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT