Actualités

Ady tany ao Amboditandroroho Toamasina II Mihenjana ny tady eo amin’ny mponina sy ny Filatex Tonga vao maraina ny sabotsy 4 desambra 2021 teo ny vad


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

intany nahazo didy avy amin'ny fitsarana hanala ny fefy nanakanan'ny orinasa Filatex hidiran'ny mponina sy ireo miasa ao anatin'ny tany lazainy fa ananany taratasy maha tompony azy,

 hanaovana famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro, veliranon'ny filoham-pirenena ao amin’ny kaominina Amboditandroroho Toamasina II, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ny mponina mivondrona amin'ny fikambanana FIPAMA na Fikambanan'ny Mpamboly Manambatsio no nanajary azy rehefa lasa ireo mpanjanaka na “colon” naka ny tanin'ny razan’izy ireo ny taona 1923, hoy ny fanazavana. Nitondra Polisy, araka ny baiko nomen'ny fitsarana, ny vadintany nefa rehefa tonga teo an-toerana dia vao niala ny vavahady dia nametraka hazo mitsavalana indray ireo mpiasan'ity orinasa ity niaraka tamin'ny EMMO izay manampy azy ary dia nasian'izy ireo fiara hibahana ny lalana masaka efa nampiasaina hatramin'izay. Nanao tatitra ny vadintany amin'izao tsy faneken'ity orinasa ity ny didim-pitsarana izao. Nidina ny baiko avy any ambony fa tsy maintsy miala ao ny polisy nentin'ny vadintany ary tonga nanamafy ireo namany efa lasa mpiandry ny tanin'ity orinasa ity ny EMMO. Tsy nanaiky lembenana anefa ireto vahoaka fa niha maro hatrany ka dia nihemotra ny EMMO niala ny toerana aloha. Tsy nisy ny fifandonana fa mbola mienjana ny tady satria tsy atokisan'ireto mponina fa nihemotra ity orinasa ity ka samy mbola mifampiandry ny roa tonta. Tsy asian’ity orinasa ity hasiny ny fitsarana malagasy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT