Feno roa volana tamin’ny 11 martsa teo no niadian’ny tafika Frantsay tany Mali. Mitovitovy tamin’ny zava-nisy teto Madagasikara tamin’ny 2009 ny zava-nitranga tany Mali tamin’ny 2012, saingy haingam-piavy kokoa ny ady.
Miaramila manongam-panjakana
Niady tamin’ireo mpioko tany avaratr’i Mali ahitana silamo mahery fihetsika, ny tafim-panjakana tamin’ny janoary 2012. Ny 21 martsa 2012 no nanomboka ny karazana fimenomenomana sy fikomiana tamin’ireo toby miaramila tany Mali. Nitatra ny raharaha koa dia niafara tamin’ny fanonganana ny fitondrana no tarihan’ny filoha, Amadou Toumani Toure. Voalaza moa tamin’izany fotoana fa hoe nisy manamboninahitra ambony nanodinkodina ny volam-panjakana tokony ho nividianana fitaovam-piadiana sy bala ho an’ny miaramila, hany ka sahirana raha nifanehitra tamin’ireo silamo mpioko izy ireo. Nikomy tao an-dakazerina ny miaramila, tsy nety nandray baiko intsony, ary namoaka fitaovam-piadiana sy nanafika ny lapam-panjakana nisy ny filoha Amadou Toumani Toure. Ny miaramila no nitantana ny Mali nanomboka teo. Nofoanana ny lalàmpanorenana, nosoloina karazana tondrozotra. Nosamborina ny ankamaroan’ny mpitondra teo aloha. Lasa mpandroba lapa sy mpandoro trano ny miaramila sasany. Nanao ny nataony nandroba koa ireo mpanararaotra tamina faritra maro manerana an’i Mali. Nipoitra tampoka ny filoha Amadou Toumani Toure ny 28 aprily 2012, niteny tao amin’ny Radio France Internationale (RFI) ary nilaza fa salama tsara sy mipetraka amina toerana azo antoka ao Mali, ary manaiky ny asa fanelanelanana ataon’ny CEDEAO (tahaka ny SADC any amin’ny faritra andrefan’i Afrika) sy izay vahaolana arosony hamahana ny krizy. Nanomboka nipoitra ny fifandonana teo amin’ny mankasitraka sy ny tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana. Nitohy koa ny fivoriana isan-tsokajiny notarihan’ny mpanelanelana, nametra-pialana ny filoha Toumani Toure ny 8 aprily. Ny 25 aprily no natsangana ny governemantan’ny tetezamita, tarihan’i Cheik Mobidi Diarra saingy tsy nanaiky an’io indray ny miaramila mpanongam-panjakana tarihan’ny kapiteny Sanogo, dia raikitra indray ny fifandonana. Nisy ny maty sy naratra, tsy niongana anefa ny governemanta fa kosa voaara-mason’ny miaramila akaiky.
Tafika vahiny
Nandritra izany fotoana rehetra nisian’ny sangodim-panina politika izany dia niha nahazo aina ireo mpioko tany avaratr’i Mali ka nampitombo ny fanafihana sy ny fakana takalon’aina. Tsy voafehin’ny tafim-panjakana intsony ny raharaha, ka teo no nanomboka niditra an-tsehatra i Frantsa izay nitondra avy hatrany ny raharaha teo anivon’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana. Tsy ela dia lany ny fehin-kevitra handefasana tafika iraisam-pirenena any Mali. Niditra tany ny tafika Frantsay tamin’ny 11 janoary 2013, ary tena henjana ny daroka baomba sy fanafihana natao tamin’ireo nambara fa mpioko sy silamo mahery fihetsika. Ady aloha no malaza any Mali amin’izao fotoana, mbola any koa ny tafika Frantsay. Tsy misy resaka fifidianana izany, ary toa tsy fantatra mazava ny tena nanonganana ny filoha Amadou Toumani Toure. Sa ve mba hahafahana mampiditra ny tafika vahiny ? Maro ireo mpandinika mahita fa saika nitranga teto Madagasikara io nisy tany Mali io, saingy soa ihany fa tsy lian-dra tahaka ny Afrikanina ny Malagasy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.