Actualités

Ady any Cote d’Ivoire Ho nofy ratsy ho an’i Lafrantsa ?


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011

Ao anatin’ny savorovoro sy ny fifanjevoana tanteraka ny any Cote d’Ivoire amin’izao fotoana. Tsy arakaraka ny noeritreretin’ny tafika iraisam-pirenena mantsy ny zava-nitranga fa dia mahatohitra tsara mihitsy ny fanafihana azy ireo mpomba ny filoha teo aloha, Laurent Gbagbo.

Raha novinavinaina fa ho resy sy hilavo lefona izy ireo ny sabotsy lasa teo dia tsy izay velively no nitranga fa vao miha nahazo vahana aza tamina toerana maromaro tao Abidjan renivohitra ireto miaramila sy olon-tsotra mitam-piadiana miaro an’i Laurent Gbagbo. Ity farany moa omaly alahady dia niantso ireo Ivoarianina tia tanindrazana sy tsy manaiky ny setrasetran’ny vahiny any amin’ny taniny mba hijoro sy handray fitaovam-piadiana ka hanohitra ny tafika frantsay. Ny Frantsay moa miaraka amin’ny ONUCI na ny miaramilan’ny Firenena Mikambana mpampandry tany any Cote d’Ivoire no tena mandray anjara mavitrika amin’ny fanafihana sy ny daroka baomba mba hanosehana sy handresena ireo mpanohana an’i Laurent Gbagbo.

Ny 4 aprily lasa teo, taorian’ny fanomezan-dalana avy amin’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana ho fampiharana ny fehin-kevitra 1975, no nanomboka nandaroka baomba tany Cote d’Ivoire ny helikoptera mpiady an’ny tafika Frantsay. Nambara andro vitsivsitsy taorian’io fa potika ny ankabeazan’ny fiara mifono vy sy fitaovam-piadiana mahery vaika teo am-pelatanan’ny mpanara-dia an’i Gbagbo, ary afaka andro vitsivitsy sisa dia hiala ity filoha tsy nanaiky resy taorian’ny voka-pifidianana ity. Hentitra dia hentitra mihitsy ny fanambarana nataon’i Alain Juppé, lehiben’ny diplaomasia frantsay, nilaza fa ora sisa no isaina dia vita hatreo ny amin’i Laurent Gbagbo. Tsy izay velively anefa no nitranga fa mbola raikitra hatrany ny daroka baomba sy ny fifandonana, ary omaly alahady aza dia miha miroso manatona ny “Hotel du Golf” ao Abidjan misy ny birao fiasan’i Alassane Ouattara, filoha eken’izao tontolo izao, ireo miaramila miara-dia amin’i Gbagbo.

Maro no mahita fa ho sarotra ny famahana ity krizy Ivoarianina ity, ary ho sahirana sy hivoaka sempotra any ihany ny Frantsay izay efa hatramin’ny 2001 no nanatoby miaramila tany mba hampandry tany tamin’ny alalan’ny «Force Licorne». Mahatratra 1650 ny miaramila Frantsay any Cote d’Ivoire ankehitriny. I Laurent Gbagbo moa dia efa nilaza fa tompon’antoka amin’ny zava-drehetra mitranga any amin’ny fireneny i Frantsa izay nambarany tsotra izao fa «mpanakorontana an’i Afrika», ary nanamora ny hala-bato mba hampandresena an’i Alassane Ouattara tamin’ny fifidianana farany teo. «Tsy hiala aho», hoy i Laurent Gbagbo na ahoana na ahoana, fa mangataka kosa ny famerenana ny fanisam-bato, dia ho hita eo hoe iza marina no tena filoha lanim-bahoaka.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT