Mitohy ny fanentanana hataon'ny Polisy hoenti-miaro ny tanora manoloana ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina eny anivon'ny fiaraha-monina.
Omaly alarobia 14 jolay dia tonga nanao fanentanana tetsy amin'ny sekoly Marthe Hervé indray izy ireo nampahafantatra ny voka- dratsy amin'ny fandraisana ny zava-mahadomelina sy ny lalàna mifehy izany. Ny tanjona amin'izany dia mba hiarovana ireo ankizy sy tanora tsy ho azon'ny fakam-panahy amin'ny fandraisana ireny zava-mahadomelina ireny ka mety hamotika ny fahasalamany sy ny hoavin'izy ireo. Araka izany dia tsy misambotra ireo mpandray sy mpivarotra zava-mahadomelina ihany fotsiny no hataon'ny Polisy fa manamafy ihany koa ny asa fisorohana, toy izao fitetezana sekoly eto an-drenivohitra izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.