Actualités

Ady amin’ny tsy fananan-tsata Hanome fiofanana ny Focus development


  • Alarobia 13 Jolay 2022

In'enina niova izay ny sata mifehy ny maha olompirenena hatramin’ny taona 1960 sy namoahana ny didy hitsivolana 62-005 ny 6 jona 1962 mikasika sata voalaza teo izay,

raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Focus development, izay fikambanana miady ho an’ny fananan-tsata eto Madagasikara. Manoloana ny ady sy tolona mbola mila atrehin’ireo misedra izay antsoina hoe tsy fananan-tsata eto Madagasikara izay dia misy anio sy rahampitso ny fiofanana omen’ity fikambanana ity ho an’ireo sehatra afaka mampita ny feon’izy ireo sy ny hetahetany marina. Isany hisitraka izay fiofanana izay, araka izany, ireo tomponandraikitra amin’ny haino aman-jery sy fampitam-baovao ary mpanao gazety, mazava ho azy. Tanjona amin’izy io, raha ny fanazavana hatrany, ny hampahafantatra amin’ireo mpanao gazety ny tena antony ilana lalana mifandraika marina amin’ny olan’ireo tsy mana-tsata na «apatride» eto Madagasikara izay. Eo indrindra koa ny fampahafantarana ny fipetrak’ilay tolo-dalana farany mikasika azy ity dia ny 001/2021/PL. Isan’ny fanontaniana goavana mipetraka, noho izany, ny hoe inona no paikady hahatongavana amin’ny fampisitrahanna ny tena tokony ho zon’ireo tsy manan-tsata eto amintsika ireo? Aiza ho aiza ihany ny fametrahana ny lalana tena mifanaraka izany? Ao amin’ny hotely Royal Palace Antsirabe moa no hanaovana izay fampiofanana izay, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT