Actualités

Ady amin’ny tondra-drano Hojerena manokana ny eny Analakely sy Petite Vitesse


  • Talata 23 Novambra 2021

Atahorana hatrany ny tondra-drano eto an-drenivohitra rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Vokatry ny fahantsentseman’ny tata-drano

 ateraky ny fivangongoan’ny fako arian’ny olona no mahatonga izany ka mampivoaka ireo rano maloto eny amin’ny arabe rehetra eny. Anisan’ny tena ahitana izany ny eny amin’ny faritra Analakely sy Petite Vitesse iny. Tsy manainga zipo intsony fa manala akanjo mihitsy ny mponina raha vantany vao tratra hariva eny amin’ireo faritra ireo rehefa avy ny orana. Mila handifotra fiara mihitsy mantsy ny rano eny amin’ny arabe ka tsy vitsy ireo efa namoy ny ainy. Miezaka mitady vahaolana mifandraika amin’izany ny mpitondra fanjakana ankehitriny raha araka ny fantatra. Vola mitetina 45 tapitrisa Euros no voalaza fa hatokana hanamboarana ny faritra Analakely sy Petite Vitesse ho enti-miady amin’izay tondra-drano izay. Hanomboka amin’io taona ho avy io ihany koa ny asa raha araka ny fantatra.
Pati
(Tahirin-tsary)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT