Actualités

Ady amin’ny piraty Olona 28 no natolotra ny fitsarana


  • Zoma 23 Septambra 2022

Mitohy ny fitetezam-paritra hataon'ny ekipan'ny BAP na ny Borigady miady amin’ny piraty mikasika ny ady amin'ny hosoka ara-javakanto eto amintsika.

Tany amin'ny distrikan'Amparafaravola izy ireo ny 12 septambra teo no nandeha ka olona folo no voasambotra. Fantatra fa nanao hosoka tamin’ny fivarotana kapika mangirana piraty izy ireo, herim-pon’ireo mpanankato izay nisasatra sy nitsemboka ka nandany vola tsy toko tsy forohana. Taorian'izay dia nitohy niankandrefana, tany amin'ny faritra Boeny ny dian’ireo ny 16 septambra teo ka mpanao piraty miisa 18 indray no tratra tao Mahajanga. Ho fanajana sy fanarahana ny lalàna velona dia natolotra ny fitsarana 28 isa ireo. Manentana ny mpiray tanindrazana hatrany moa ny BAP fa voararan'ny lalàna ny mividy sy mivarotra hosoka ary ny mampiditra hira sy horonan-tsary eny amoron-dàlana tsy nahazoana alàlana.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ireo mpanao hosoka tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT