Actualités

Ady amin’ny paraky sy ny sigara Efa firenena maodely aty Afrika i Madagasikara


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Efa firenena maodely aty Afrika i Madagasikara manoloana ny ady hatao amin’ny sigara sy ny paraky. Raha araka ny fanazavan-dRamamonjisoa Haja,

avy ao amin’Ny Sahy niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia hotokanana tsy ho ela eto amintsika ny ivon-toerana natao handraisana an-tanana ireo olona voafatotry ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky. Nihena 10% ihany koa hoy izy ireo tanora mifoka sigara eto amintsika. Raha nahatratra 18% mantsy izany tamin’ny taona 2008 dia nihena ho 8% tamin’ny taona 2018 farany teo, salan’isa izay nambarany fa azo lazaina ho efa mihatsara. Efa in-telo nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny ady natao tamin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky ihany koa i Madagasikara hoy izy. Na izany aza anefa dia nomarihiny manokana fa mbola tena olana ny fampiharana ny lalana mifehy ny fiparitahan’ny sigara sy ny paraky eto amintsika. Efa 18 volana mantsy izay raha araka ny fanazavany no nahatongavan’io lalana io teny anivon’ireo mpanao lalana saingy mbola tsy misy manetsika sy mandany hatreto. Vokatr’izay hoy izy dia toeram-pivarotan-tsigara miisa 15 no hita amina toerana 100 metatra miala ny sekoly iray izay tokony ho faizina mihitsy. Mbola afaka miliba ihany koa hoy izy ireo mpivarotra manao dokam-barotra momba ny sigara sy ny paraky izay marihina fa mahavoa ny 2/3-n’ireo olona tratry ny aretina homamiadana eto amintsika….Tsara moa ny manamarika fa manana karazan-dalana maro hahafahana mifehy ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky isika eto Madagasikara ka anisan’ireny ny tsy fahafahana mifoka any anaty fiara fitateram-bahoaka na any anaty birao raha toraka izay ihany koa ny tsy fahafahana maniraka ankizy hividy sigara izay mbola mijanona ho resabe fotsiny ihany aloha satria mbola tsy nolaniana tanteraka ny fampiharana azy.

Pati

Legende : Haja Ramamonjisoa, tompon’andraikitry Ny Sahy nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT