Mitohy ny ady amin'ny kere ataon'ny fitondram-panjakana, izay hanavotana ireo
vahoaka aty Atsimo ary indrindra hitondrana vahaolana maharitra amin'ny olana mianjady, hoy ny fahefana mpanatanteraka. Omaly alahady, tany Ambovombe ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian sy ireo Minisitra fito eo anivon'ny governemanta, izay nambara fa mijery ireo asa efa vita teo amin'ny ireo tokantrano maro, ary manatanteraka atrik'asa tao amin'ny lapan'ny faritra mahakasika ny androsoana haingana amin' izany ady amin'ny kere izany. Nanatanteraka tatitra ihany koa ny miaramila lehiben'ny "CCO contre le Kere" izay eo ambany fitantanan'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena amin'ny fandrosoan'ny asa atao aty an-toerana hoan'ny vahoaka, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nodinihana tamin'izany ihany koa ny fanohanana ny CSB, teo ihany koa ny fankatoavana ny tetibola natokana hampandehanana ireo "CRNM" sy ny famaritana ireo filàna . Taorian'ny fivoarana dia nisy ny fihaonana manokana tamin'ireo Mpiara-miombon'antoka. Somary nanaitra ihany ny hoe: Minisitra 7 be izao nidina tany an-toerana, izay mety fandaniana be ihany koa ho an’ny Fanjakana. Tena ny fiaraha-mirohotra any ve ny vahaolana mba hanehoana fa miasa sy manao ezaka ny Fitondram-panjakana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.