Actualités

ADY AMIN’NY HOSOKA SY NY PIRATY Nanova paikady ny ministeran’ny serasera


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Mirongatra sy mahazo vahana ny hosoka sy ny fanaovana piraty eto amintsika. Ankoatra ny kapila mangirana izay nisasaran’ireo mpanankato mpamoron-kira sy mpilalao sary mihetsika ary nandaniany vola fatratra dia efa maro

mpandika ihany koa ny boky amin’izao na an-tsary na an-tsoratra. Eo koa ny fakana ny hira amin’ny alalan’ireo fitaovana nomerika….Mba hahafahana miady amin’ireny ary dia fantatra fa hanova paikady ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina tarihin-dRtoa ministra Lalatiana Andriatongarivo. Raha fandehanana mivantana eny amin’ireo mpivarotra kapila mangirana… no natao hatramin’izay dia zavatra hafa mihitsy no hitranga manomboka izao izay hijanona ho tsiambarantelon’izy ireo ihany. Amin’ny alalan’ny borigady miady amin’ny hosoka na ny BAP no hanatanterahan’izy ireo izany izay hihatra tsy ho ela. Tanjona ny hahafahana mamongotra hatramin’ny fakany ireo mivelona amin’ny fanaovana piraty sy hosoka eto amintsika.
Nangonin’i Pati
Legende : Hiova ny paikady amin’ny fanenjehana ireo mpanao kapila mangirana hosoka. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT