Kapila mangirana hosoka miisa 44.382 no nodoran’ny teo anivon’ny Borigady misahana ny ady amin’ny hosoka na ny BAP
(Brigade Anti-Piratage), rantsan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly, izay notanterahina teny Ambohitrimanjaka. Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny lalàna laharana faha 94-036 ao amin'ny andininy faha 149, mifehy ny ady amin’ny hosoka sy ny piraty. Raha ampitahaina amin'ny tamin'ny fandorana farany natao ny faraparan'ny taona lasa dia nitombo 7.000 ny isan'ireo kapila mangirana hosoka tratra ka nodoroana omaly, raha ny fanazavana. Efa niroso tamin’ny fisamborana sy ny fitondrana ireo mpanao hosoka eo anatrehan'ny fitsarana ny BAP tamin'ny taon-dasa ary hiroso amin'ny fisamborana ireo izay tratra mividy hosoka ny eo anivon’ny BAP, hihamafy ny hetsika atao any amin'ny faritra, hoy hatrany ny fanazavana. Zava-dehibe loatra ny fiarovana ny kanto sy ny haingam-panahin'ireo mpamorona ny kanto ka mila arovana. Hiaro ny mpanakanto no isan'ny antom-pisian'ny Minisitera miandraikitra ny kolontsaina, raha ny voalazan’ny minisitera mpiahy. Nanatrika ity fandorana ampahibemaso ireto kapila mangirana hosoka ireto ny solontenan'ny artista sy ireo mpamokatra horonan-tsary Malagasy ankoatra ny teo anivon'ny fitsarana, ny OMDA ary ny ISSM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.