Actualités

Ady amin’ny herisetra mahazo ny ankizy Hifanome tanana ny ministeran’ny fanabeazana sy ny ECPAT


  • Talata 02 Martsa 2021

Hiara-kiasa akaiky ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Ecpat France manomboka izao.

 

 Tontosa omaly tetsy amin’ny (INFP) Mahamasina, ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ho fampahafantarana sy fampiroboroboana ny zon’ny ankizy amin’ny alalan’ny fisorohana ny herisetra ara-pananahana hatao amin’izy ireo eny anivon’ny sekoly.Nanamafy ny Tale Nasionalin’ny ECPAT- France ny Dokotera Andriamaro Annick, fa vonona ny hifanome tànana hanatontosa ny asa, ary hamolavola sy hametraka fitaovam-piofanana ho an’ireo ankizy. Sekoly miisa 25 ao anatin’ny distrika 08 eto Madagasikara dia Antananarivo, Antsirabe, Morondava, Toliara, Fort dauphin, Mahajanga, Toamasina ary Nosy be no hisitraka izany. Ankizy manodidina ny 10.000 no hahazo tombotsoa amin’izany fandaharan’asa izany. Mifanojo amin’ny politikan’ny fitondram-panjakana amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy, sy ny ady amin’ny herisetra, no sady tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pampianarana mihitsy izany hoy Sahondrarimalala Marie Michelle, Ministry ny fanabeazam-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony .

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT