Actualités

Ady amin’ny haintrano Hiara-kiasa ny CUA sy ny ARO


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Hiara-kiasa amin’ny ady hatao amin’ny haintrano ny sampana mpamonjy voina

 

 

 

eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny tranom-piantohana Aro. Tontosa omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny sonia fifanekem-piaraha-miasa mifandraika amin’izany, notronin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ankilany sy ny ny tale jeneralin’ny tranom-piantohana ARO, Aro Andrianarilanto Nirina an-daniny, ary ny lehiben’ny Sampana Mpamonjy Voina, Razafimanahaka Tiana. Hiompana amin’ny fanamboarana ireo “bouche d’incendie” miisa enina eto Antananarivo Renivohitra ny asan’izy ireo noho ireto farany efa simba ka tsy afaka miasa intsony. Voakasik’izany ny eny Antaninarenina, Analakely, Ampefiloha sy Ankorondrano ary ireo faritra hafa. Narahina fanolorana solosaina ho an’ny Sampana Mpamonjy Voina izany mba entina hanampiana azy ireo amin’ny fandraisana ireo fitarainan’ny mponin’Antananarivo. Tsiahivina moa fa miisa 228 ireo bouche d’incendie eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT